Hotanterahina ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao ny dingana voalohan’ny fifaninanam-pirenena diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”. Hatao ny 23 aogositra – 1 septembre, ny dingana faharoa ary ny 25, 27, 29 septambra ny farany na ny “Poule des AS”. Ho fiatrehana ny fifaninanana […]
Fanatajahantena
Fanokafana ny “JO-2024”: hitondra ny sainam-pirenena malagasy i Rosinah
Nambaran-dRandriamanarivo Harinelina, sekretera jeneralin’ny Komity olympika malagasy (Com), tamin’ny mpanao gazety teny Alarobia, ny sabotsy lasa teo, fa Randafiarison Rosinah, no hitondra ny sainam-pirenena malagasy, mandritra ny filaharan’ ireo firenena mandray anjara amin’ny fanombohan’ny lalao Olympika 2024, hatao any Paris France, ny 26 jolay ho avy izao. Nomarihin’ity tomponandraikitry ny […]
Lalao Olympika (JO 2024): Miankina amin’ny CIO ny fandehanan’ny mpanazatran’i Laura
Nahitana vahaolana tamin’ny ora farany ny amin’ ny Me Mamy, mpanazatran’i Laura Rasoanaivo, eo amin’ny fiatrehana ny lalao Olympika, hanomboka afaka 2 herinandro any Paris. Handeha izy saingy miandry ny CIO, raha hahazo fankatoavana na tsia. Nivadika ho fivoriambe tsy ara-potoanan’ny Komity olympika malagasy (Com) tampoka, ny sabotsy lasa teo, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny alahady ho avy izao, any Fianarantsoa, ny fanadinana hiakarana ambaratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Tsy miova ny fepetra, hoy ny tale teknikan’ny Federasiona, fa tsy maintsy manana taratasim-pilalaovana avy amin’ny FMTKD sy fehikibo mena, barety roa na mihoatra ny mpandray anjara rehetra. Hatao ny 29 aogositra hatramin’ny […]
Baolina kitra – «Euro 2024»: hikatsaka ny amboara voalohany i Angleterre
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Euro 2024”. Fihaonana hatao rahampitso alahady, ao amin’ny kianja Olympia stadion ao Berlin. Hiady izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Three Lions Angleterre. Fanindroany amin’izao ny anglisy no hiatrika ny famaranana amin’ny […]