Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny 30 aogositra izao, ao Toliara, ny fifaninanana “Tournoi du Capricorne”, taranja judo. Fifaninanana anisan’ny goavana ho an’ity taranja ity, mialoha ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny volana desambra izao. Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny […]

« JJB Attila » : Mametraka ny anarany amin’ny sokajy ankizy

Nandray anjara voalohany tamin’ny fifaninanana ho an’ny ankizy, “Kids BJJ Games”, ny klioban’ny JJB Attila, ny herinandro lasa teo. Fandraisana anjara voalohany kanefa nahitam-bokany. Medaly volafotsy 3 no azon’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity, tamin’ny alalan’i Océane (zazavavy 15 taona), i Misandratra (zazalahy 14 taona) ary i Misanda (zazalahy 12 […]

Fifanintsanana Mondial 2026 : Mpilalao dimy voaantso hanatevina ny Barea A

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 23 handrafitra ny Barea A, hiatrika ny fifanintsanana “Mondial 2026”, hihaonana amin’i Centrafrique sy i Tchad, ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly malagasy, i Corentin Martins, omaly. Ela ny ela! Namoaka ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Barea A miisa 23, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny FMF ny mpanazatra, i Corentin Martins, omaly. […]

Fanohanana ny Barea: Ifandrombahana ny mankany Kenya

Taorian’ny andro voalohany, efa tsy omby ireo olona nisoratra anarana ny fiaramanidina nomanin’ny fanjakana hihazo an’i Kenya. Mbola ma­ro ireo nilahatra, omaly, na dia efa tapitra aza ny fe-potoana. Hitohy anio ny fandraisana ireo mbola maniry handeha. Taorian’ireny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena,   Rajoelina Andry, mahakasika ny hitondrana mpijery ho any Kenya, hanohana […]