Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy. Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona […]
Fanatajahantena
«Copa America 2024» : mbola voatazon’ i Argentine ny amboara
Tsy mbola votsotra eo am-pelatanan’i Argentine ny amboaran’ny “Copa America”, efa azony ny taona 2021. Omaly alatsinainy, nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Miami, resin’i Argentine tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Colombie. Nivoaka sempotra anefa ny Argentine vao nivoaka ho mpandresy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana, […]
Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus
Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF). Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray […]
“Forum Mini-Basket” : ankizy 400 hanaraka fiofanana
Hanomboka anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”. I Madagasikara no mampiantrano ity andiany faha-6 ity, izay hositrahin’ny ankizy miisa 400 manerana ny Nosy. Atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay ahitana fampiofanana isan-karazany. Mpanazatra 70 avy amin’ny firenena afrikanina 15 ihany koa […]
« Tournoi Sandratra 2 »: Nanjaka ny foibem-pibeazana Betania
Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny kianja St Michel Itaosy, ny famaranana ny tetikasa «Tournoi Sandratra 2», taranja baolina kitra ho an’ireo foibe mitaiza ireo zaza tsy misy mpiahy. Nanao pao-telo ny Betania, nibata amboara telo teo amin’ny poussin, minime, benjamin. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana avrily ny fifanintsanana […]