Notanterahina omaly, tetsy Isoraka, ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpilalao baolina kitra tranainy, nandrafitra ny ekipam-pirenena, nanomboka tany amin’ny Equipe nationale, nandalo tamin’ny Club M sy ny Scorpions ary ny Barea, na ny Anciennes gloires. Nahatratra 44 izy ireo no nisitraka izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra. Nanolotra […]
Fanatajahantena
Minisitra hitantana ny fanatanjahantena: “Tokony ho olona niaina tao anatin’ny taranja”
Ho fantatra tsy ho ela ireo minisitra handrafitra ny governemanta. Maneho ny heviny ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Vital Serge, filohan’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar: “Olona niaina ny fanatanjahantena nanomboka tamin’ny fahazazana, mahalala izany atao hoe fanatanjahantena izany ary manao izany no mendrika ho minisitra hitantana ny minisiteran’ny […]
Kitra any ivelany: Mamiratra ny ekipan-dry Ronaldo
Nahita fahombiazana tsara ny ekipan’ny Al Nassr FC, nandritra ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Arabia Saodita, taranja baolina kitra. Resin’izy ireo tamin’ny isa, 5 no ho 1, ny Al Fateh, fihaonana izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Al-Awwal Park. Namiratra tanteraka tamin’ity fifanandrinana ity, ny […]
Fankasitrahana ny Chan 2024: Nahena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea
Nambaran’ny Filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ny afakomaly teo, tetsy Anosy, fa nahena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea, tamin’ny Chan. Raha ny fanazavany, nahenan’ny Caf ilay vola 1,2 tapitrisa dolara noho ny resaka “droit TV” sy ny volan’ ny hotely fampiantranoina ny Barea. “Notsiahiviny fa […]
DAKA AN-JORONY; Fitakiana fanovana sa fanovana fitakiana
Teny malaza amin’izao, ny fiovana sy fanovana. Tsy eo amin’ny fiainam-pirenena ihany fa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena dia samy andrenesana fanovana sy fiovana. Mitaky izany avokoa amin’izao fotoana izao, ireo mpisehatra ao anatin’ny taranja isanisany eto Madagasikara. Hahenoana izany ary tena misongadina ireo taranja telo miavaka sy mankarary ny Malagasy […]





