Fanatajahantena

3FB Toliara sy Mama FC: natsahatra ny lalao

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahafito, fifaninanam-pirenena, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Nisy ny lalao natsahatra noho ny fikasihan-tanana nataona mpijery iray tamin’ny mpitsara, teny Vonto­vo­rona, nandritra ny fifanandrinan’ny 3FB Toliara sy ny Mama FC. Araka ny loharanom-baovao iray, najanona teo amin’ny minitra faha-35, fizaram-potoana voalohany, […]

Rugby – “Can 2024”: hanala vela amin’ny ekipan’ i Kenya ny Makis Ladies

Efa ao anatin’ny fanomanantena farany amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 12, vehivavy, ny Makis Ladies. Hanala vela amin’i Kenya sy i Afrika Atsimo izy ireo amin’ity. Mitohy etsy amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka ny fanazarantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho […]

Atletisma – «Afrique 2024»: miankina amin’ny minisitera ny isan’ny atleta ho any Cameroun

Tontosa omaly, tetsy amin’ ny kianja Alarobia ny fifaninanana nitiliana ireo atleta ma­lagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “sénior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja atletisma. Nitsapana azy ireo ny 100 m sy ny 400 m, lahy sy vavy, ary ny vikin-dava sokajy vehivavy. Tsy nisy ny […]

Basikety- All Step : nifandona ny Lycée Andohalo sy ny Sainte Chantale

Niditra tamin’ny andro faha-4, ny faran’ny herinandro teo, basikety natokana ho an’ ny Lycée, “All Step”. Fifa­ninanana karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety, hiaraha-miasa amin’ ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pire­nena. Lalao miisa 6 no notontosaina ny sabotsy 13 avrily teo ary anisan’ny tena niady ny fihaonana teo amin’ny Lycée Andohalo sy ny Lycée […]

DAKA AN-JORONY: Ataovy «serieux» raha tena hilalao

Vaovao nampangorintsina ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpiondana ny baolina kitra, ny nandre ny herinandro lasa iny fa tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) ny kianja Barea Mahamasina. Maro ny fanontaniana nivezivezy tamin’izany saingy mijanona ho antso an’efitra sy tsy misy valiny mazava izany. Ataovy […]