Fanatajahantena

DAKA AN-JORONY: Ny katsaka no mibaby telo….

Tsy mbola lohalaharana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny kilonga malagasy eo amin’ny fifaninanana natokana ho azy ireo, na ny lalaon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI). Fihaonana notanterahina tatsy amin’ny Nosy Seychelles. Raha ny haben’ny firenena sy ny hamaroan’ny mponina ao aminy, lehibe sy goavana i Madagasikara. Ny mifanohitra amin’izany anefa ny […]

CHAN 2025 – Barea (1) – Tanzanie (2): Manify ny fanantenana ho an’ny Barea de Madagascar

Tsy mbola nahazo fandresena ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Lavon’i Tanzanie mantsy izy ireo, nandritra ny andro faharoa ho an’ny fifanintsanana vondrona «B». Kely ny herijikan’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho […]

CJSOI Seychelles : Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy

Nikatona tanteraka ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-13, ny faran’ny herinandro teo, notanterahina tany Sey­chelles. Tsy nitsanga-menatra ny so­lontena malagasy nandritra izany. Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana raha ny vokatra azo. Medaly 49 (15 volamena, 19 volafotsy ary 15 alimo) no norombahin’ny Malagasy ary eo amin’ny laharana fahatelo […]

CJSOI – medalin’ny Malagasy : Niampy volamena iray sy volafotsy roa

Nitombo indray! Nahazo medaly volamena iray sy volafotsy roa ny Malagasy atleta, omaly nandritra ity andro mialoha ny famaranana ny fifanintsanana CJSOI, izay tontosaina any Seychelles ity. Mitotaly 48 indray izany ny medaly azon’ny Malagasy amin’ity lalao ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity. Namiratra tanteraka tamin’ny taranja basikety […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka ny 12 hatramin’ny 24 aogositra ho avy izao, atsy Angola, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja basikety « Afrobasket 2025 ». Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Ankoay Madagasikara, ary hifanandrina amin’izy ireo voalohany i Nigeria, ny 13 aogositra. Taranja iray misy sy mijoro ara-dalàna eto Madagasikara ny taranja bisikileta. […]