Taorian’ny fahavitan’ny dingana efatra ho fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Rallye, mpanamory roa no tena misongadina eo amin’ny filaharana. Mitarika i Faniry, avy amin’ny klioba TMF, arahin’i Mathieu Asacm. Mifanakaiky mantsy izy mirahalahy ireo amin’ny isa azo. Nahazo 126, 5 i Faniry, raha 103 ny an’i Mathieu. Mbola tena […]
Fanatajahantena
Fifanintsanana “Mondial 2026” : Dingana iray ny fifanandrinana amin’i Comores
Hatao anio, any Côte d’Ivoire, ny lalao hihaonan’ny Coalacanthes Comores sy ny Barean’i Madagasikara. Fifanintsanana tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Félix Houphouët-Boigny, any Côte d’Ivoire, ny fifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, sy ny ekipan’i Comores, Coelacanthes, amin’ny andro faha-9, fifaninanana hiadin-toerana ho amin’ny […]
Fihezama : Mitaiza ny tanora amin’ny fanatanjahantena
Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Nohamafisin’ny filohany, Rakotovao Jacky Raymond, fa mitaiza sy manabe ny zatovo sy tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity fikambanana ity. Tsy manao politika sy tsy miandany na amin’iza na iza […]
SOMBIM-BAOVAO
Tanterahina any Lima, Pérou, nanomboka ny 5 oktobra teo, ary haharitra hatramin’ny 8 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Judo, ho an’ny sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena, dia i Nathanael Cressonnier, sokajy latsaky ny 81 kg. Judokas afrikanina 19, avy amin’ny firenena […]
Badminton – “Mada 2025” : Hifaninana ny Senior
Araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Badminton, hotanterahina ny 11 sy 12, hitohy ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika. Ligim-paritra telo dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana no hiady ho lohany amin’ity. […]





