Na misy aza ny olana, miezaka mitady vahaolana hatrany ny mpitantana. Efa miditra amin’ny dingana famaranana avokoa ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), eo amin’ny taranja iraisana, androany sy rahampitso alahady, any Mahajanga. Manoloana izany, nanao antso avo ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – « CHAN 2025 » : Vonona handresy an’i Tanzanie ny Barea de Madagascar
Hitana ny sain’ny mpankafy baolina kitra amin’ity sabotsy ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hiatrika ny lalao faharoa ho azy mantsy ny Barea de Madagascar izay hidona amin’i Tanzanie, mitarika vonjimaika amin’ny filaharana. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Benjamin Mkapa Stadium, anio sabotsy […]
Tenisy : Nandresy an’i Nigeria ny Malagasy
Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Central Tennis Club tao Windhoek Namibia, ny fifaninanana hiadiana ny Billie Jean King Cup, sokajy fahatelo ho an’ny faritra Afrika. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Akomba de Madagascar, nanoloana an’i Nigeria nandritra ny fiadian-toerana fahefatra ka hatramin’ny fahenina. Raha hiverenana […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 aogositra ho avy izao, ny «Tournoi», ho an’ny rugby lalaovin’olona 7, lahy sy vavy. Fifaninanana karakarain’ny Malagasy Rugby. Tanjona amin’ity fihaonana ity ny fampivelarana sy fampandrosoana ity taranja ity, izay hita fa voafehin’ny Malagasy. Mitohy hatrany ny […]
El Hadary: Lasa mpilalao matihanina ao amin’ny Paris FC
Nambaran’ny klioba Paris FC, diviziona voalohany any France, omaly, fa nanao sonia amin’ny maha matihanina azy ao amin’ity ekipa frantsay ity i Ylan El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, hatramin’ny taona 2028 no hifarana ny fifanarahan’ny roa tonta. Notsiahivin’ny klioba Paris FC, fa herintaona teo izay […]




