Taorian’ny fisokafany ofisialy, ny 19 jolay lasa teo, mikarakara hetsika faharoa sahady ny fikambanana Chess Her Way, ivondronan’ny mpanao échecs, sokajy vehivavy. Ny sabotsy izao no hanatanterahana io hetsika io, hanomezana sehatra ho an’ny mpankafy ity taranja ity sy hampianarana ireo izay liana. Misokatra amin’ny rehetra ny fikambanana, ho an’ny […]
Fanatajahantena
CJSOI 2025 : Niampy volamena 1 sy alimo 3 ny medalin’ny Malagasy
Mbola niampy indray ny medaly azon’ny Malagasy, amin’izao iray andro tsy hifaranan’ny fifanintsanana izao. Nandrombaka medaly dimy, volamena 1, sy alimo 3 indray ny Malagasy mpilomano, omaly, tatsy Seychelles. Niampy indray ! Nahazo medaly volamena iray sy alimo telo, ny Malagasy mpilomano, omaly, nandritra ity fifanintsanana CJSOI, izay tontosaina any […]
Tsipy kanetibe – « Masters 2025 » : Nihemotra laharana fahatelo ny Malagasy
Raha laharana voalohany ny ekipa malagasy taorian’ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nivarina fahatelo indray taorian’ny fahavitan’ny dingana fahefatra, notanterahina tao Palamas-Les-Flots, France, ny talata lasa teo. Raha tsiahivina, nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana i Zigle sy i Tiana ary i Yves. Resin’ny ekipan’i Bonetto, […]
SOMBIM-BAOVAO
Anisan’ireo mpilalao 20 nantsoin’ny mpanazatra ny Paris FC, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonana amin’ny ekipa voafantin’ny UNFP, i El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra. Ity fifanandrinana ity, izay natao omaly, ary efa mamiratra tanteraka izy amin’izao fotoana izao. Hiatrika ny lalao hiadiana ny laharana amin’ ny taranja tenisy, sokajy […]
“Chan 2024” : Tsara toerana handimby an’i Dax i Mamisoa
Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Benjamin Mkapa Stadium, Dar Es Salaam, ny fifandonan’i Tanzanie, mpampiantrano sy i Madagasikara. Lalao izay tafiditra amin’ ny andro fahatelon’ny fifanintsanana “Chan 2024”, tontosaina any Tanzanie, Kenya, Ouganda, ho an’ny vondrona “B”. Mbola baraingo ny mpilalao handimby ny toeran’i Dax, kapitenin’ny ekipa […]




