Nifarana omaly ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra, ping pong, lahy sy vavy, izay natao tany Ouganda. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, nandrombaka medaly volamena telo sy volafotsy iray ny ekipam-pirenena malagasy. Ho an’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho tompondakan’ny lalao […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianja Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana « Grand Open de Mada », ho an’ny haiady Jiu-Jitsu brezilianina. Lalao izay karakarain’ny Club 101 Jiu Jitsu. Tsara marihina fa ity no andiany faharoan’ny “Grand Open de Mada”. Hafindra eto Antananarivo ny fiadiana ny ho […]
Inter- Medias 2024 : hatao ny 4 mey avokoa ny lalao rehetra
Nisy fiovana ny fandaharam-potoan’ny fifaninanana ho an’ireo orinasan-tserasera “Inter- Medias 2024”, “Iray eny an-kianja”. Hatao eny Mahamasina, ny 4 mey ho avy izao, avokoa ny lalao rehetra amin’izany, araka ny fanazavana nomen-dRasoloarison Harimbola Monica, filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), omaly. Marihina fa saika natao roa andro, ny […]
Handball: hatao eto Madagasikara ny “IHF Trophy”
Taorian’ny fandavan’i Maurice tsy handray ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, sokajy “cadet” sy “junior”, hampiantrano izany indray i Madagasikara. Takina ny Licence D izay ho mpanazatra hitondra ny Akio de Madagascar. Nambaran-dRaheriarijaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja handball (FMH), omaly, teny Mahamasina, fa hatao eto Madagasikara ny “IHF Trophy”, […]
Padel Madagascar : fahombiazana ny fiofanana nomen’i Bondia
Nifarana ny talata lasa teo teny Ambatobe ny fiofanana nataon’ireo mpanazatra miisa 16, ny taranja Padel eto Madagasikara. Nitarika sy nizara ny traikefany nandritra ny roa herinandro, i Julien Bondia, mpanazatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, mpanabe amin’ny taranja Padel, nanomboka ny taona 2014 izy rehefa avy mpilalao ny taona 2008. Fahombiazana […]