Afaka roa andro sisa, hifarana tanteraka ny lalaon’ny CJSOI atsy Seychelles. Manana medaly 39 i Madagasikara hatramin’ny omaly. Hifandona amin’i La Réunion, mandritra ny famaranana, ny Ankoay zandriny. Mitombo ihany! Omaly, nahazo medaly 39 i Madagasikara, taorian’ ny andro fahadimin’ny lalaon’ ny CJSOI, hetsika izay tanterahina atsy Seychelles. Araka ny […]
Fanatajahantena
Fibatana fonjamby : Hampiofana ny Malagasy i Salama Maged
Na eo aza ny fahaiza-manaon’ny mpibata fonjamby izay voaporofo hatrany amin’ ny vokatra tsara azon’izy ireo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehany, mikaroka hatrany izay hampivoarana ny taranja sy hampiakarana ny lentan’ny atleta ny FMHMC (Federation malgache d’haltérophilie, de musculation et de culturisme). Hisy, araka izany, ny fampiofanana omen’ilay teknisianina manam-pahaizana egyptiana, […]
Kianja Barea : Efa miroso ny fanamboarana ny bozaka
Taorian’izay fotoana lava izay, tazana tetsy Mahamasina, nanomboka ny herinandro teo, ny fandrosoana amin’ny fanamboarana ny bozaka ao amin’ny Kianja Barea. Mbola nanamafy izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Abdulah Marson, omaly, tetsy Ivato, fa efa mikarakara izany ny eny an-toerana ary mety hisy ny fidinanana ifotony […]
SOMBIM-BAOVAO
Hifarana rahampitso alakamisy ny fisoratana anarana ho an’ny “Rallye vacances”. Dingana fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny familiana fiarakodia. Fifaninanana hatao any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao. Mikarakara izany ny klioba Gojang. Tsy tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana Basikety, amin’ny CJSOI, ny nosy […]
« ASIEF 2025 » : Milamina tsara ny fandraisan’i Mahajanga ny fifaninanana
Miditra amin’ny famaranana ny fifanintsanana avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo taranja hifaninanana amin’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), tanterahina ao Mahajanga. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Tia Solofomanga Heriniaina, fa milamina tsara hatreto ny fandraisana ity lalao nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana ity. Ampy tsara, hoy izy, ny fotodrafitrasa […]




