Fanatajahantena

CJSOI-Seychelles : Mitotaly 37 ny medaly azon’i Madagasikara

Mitobaka toy ny rano ny isan’ny medaly azon’i Madagasikara, atsy Seychelles, amin’ity Lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI) ity. Taorian’ny andro fahadimy, izay natao omaly, efa mahatratra 37 medaly, volamena 12, volafotsy 14, alimo 11 ny azon’ ny Malagasy atleta. Raha hiverenana kely ny andro omaly, nandrombaka medaly 10 […]

Fifanintsanana U17- Cosafa : Tafalatsaka anaty vondrona maozatra ny Barea zandriny

Tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina ny Barea sokajy zandriny. Ny volana septambra ho avy izao, hiady ny tapakila hiatrehana ny Can U17, anatin’ny fifanintsanana “Cosafa” ny Barea. Hotontosaina any Ha­rare Zimbabwe, ny 11 hatramin’ny 20 septambra ho avy izao, ny “Co­safa U-17 Youth Cham­pionship”. Ani­san’ireo handray anjara amin’izany […]

Karate – “Challenge du Betsileo”: Noraofin’ny Tekado ny medaly teo amin’ny kata

Nifarana ny alahady 3 aogositra lasa teo, tany Fia­narantsoa, ny andiany faha-4 amin’ny “Challenge du Be­tsileo”, taranja karate. Mpika­troka maherin’ny 300, avy amin’ny klioba maro, no tonga nandray anjara nandritra izany. Ny kata sy kumite ho an’olon-tokana sy isan-tarika, nanomboka tamin’ny sokajy ankizy madinika, Cadet, Ju­niors, Seniors hatramin’ny Masters, no […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Kianja Annexe Barea Mahamasina, ny « Sokake cup ». Fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny ekipan’ny Hienghène Sports avy any Nouvelle-Caledonie. Anio no hifarana ny fihaonana ka ho fantatra eo izay hibata ny amboara. […]

Tsipy kanetibe – “Masters 2025” : Novaina ny firafitry ny ekipa malagasy

Hotanterahina anio, ao Palvas-les-Flots France, ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo ekipa miatrika izany ny Malagasy. Hiova kely indray amin’ity ny firafitry ny ekipam-pirenena. Hijoro voalohany i Tianakely sy i Yves ary i Zigle. Nasain’ny mpanazatra maka aina indray izany i Balôty, taorian’ny tsy […]