Tsy afaka misaraka ny fanatanjahantena sy ny fahasalamana. Antoka lehibe ho an’ny atleta ny fananana izany ary mila fanaraha-maso ny atleta iray raha te hahazo vokatra tsara. Izany indrindra no antony nikarakaran’ny AMMS (Association malagasy de la médecine du sport) ny famelabelaran-kevitra ny alarobia 16 jolay lasa teo, teny amin’ny […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina any Toamasina, ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, ny fifaninanana ho an’ny U16, […]
Rugby – «Awards Trophy» : Notolorana amboara ireo mendrika
Natao tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny fanolorana amboara ireo mendrika «Awards Trophy» ho an’ny kaomisionina Analamanga Rugby. Ity rafitra ity izay nisahana ny fiadiana ny ho tompondaka noho ny tsy mbola fisian’ny seksionina. Raha tsiahivina, nanomboka ny 5 oktobra 2024 ny fifaninanana ary nifarana ny 13 avrily 2025. […]
« Yas Coupe de Madagascar »: Hanao famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga
Hafana ny lalao eo amin’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Samy hiezaka haka ny amboaran’i Madagasikara ny roa tonta. Ny Elgeco Plus, miketrika pao-droa. Ny Fanalamanga, hiezaka ny handrombaka amboara voalohany ho azy. Hafana tanteraka! Hifanandrina eo amin’ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2025», taranja baolina kitra, ny Elgeco […]
“Coupe Internationale de Tanà” : Nahomby ny Klioban’ny Tekado
Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fifaninanana “Coupe internationale de Tanà”, taranja karate, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny klioban’ny Tekado. Klioba manana ny maha izy azy ary anisan’ny nasain’ny mpikarakara. Fahombiazana no azo ilazana ny vokatra azon’ireo mpikatroka nisolo tena ity klioba ity, izay nampiseho […]




