Fanatajahantena

Rugby – Top 12 Mada: Hanohitra ny TFA Anatihazo ny Besetroka

Hiditra an-tsehatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ireo ekipa 12 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots. Hotanterahina ny alahady 28 septambra ho avy izao […]

Tsipy kanetibe : Tafaverina omaly ny ekipam-pirenena malagasy

Omaly no nigadona an-tanindrazana ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy, taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, niatrika fifaninanana maro tany Eoropa izy ireo, nandritra ny telo volana ka anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, notontosaina tany Italie, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsanga-menatra ny firenena tamin’izany satria nitondra vokatra maro ka […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao, omaly, efa niditra sahady amin’ny fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalao Rugby, lalaovin’olona fito. Tsiahivina fa efa manana ny lazany anatin’ity sehatra ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka izay no hanamafisana sahady ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena […]

Baolina kitra : Hilalao ao amin’ny Al Merrikh SC i Fenohasina

Nambaran’ny klioba Al Merrikh SC avy atsy Soudan, omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, fa lasany tanteraka i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana. Naharesy lahatra azy ireo haka an’ity mpilalao ity ny zava-bitany nandritra ny fifanintsanana Chan 2024 farany teo iny. Araka ny fikarohana natao, haharitra efa-taona eo ny fifanarahan’ny roa tonta. […]

Échecs-“Mondial Jeunes” : 6 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes. Hanana solontena i Madagasikara. 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no […]