Hitodika any Allemagne avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra maneran-tany, manomboka rahampitso zoma. Hotanterahina any an-toerana mantsy ny andiany faha-17 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Euro 2024”. 24 ireo ekipa hiady lohany, amin’ity ka hiaro ny anaram-boninahitra azony ny Squadra Azzura, Italie. Hanokatra ny fihaonana ny Mannschaft Allemagne sy […]
Fanatajahantena
Basikety – N1A lahy sy vavy: hifaninana ny faritra afovoany
Hitohy any Antsirabe ny fifaninanam-pirenena, taranja basikety ho an’ny sokajy N1A lahy sy vavy. Taorian’ny faritra antsinanana, izay natao tany Toamasina dia anjaran’ny faritra afovoany indray ny hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanomboka ny 15 jona ho avy izao izany ka haharitra hatramin’ny alahady 23 jona 2024. Ekipa […]
Tenisy – Billie Jean King Cup: resin’ny Akomba de Madagascar i Kenya
Fandresena voalohany azon’ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny “Billie Jean King Cup”, taranja tenisy ho an’ny sokajy vehivavy. Lavon’izy ireo, tamin’isa 3 no ho 0 i Kenya teo amin’ny andro fahatelo. Farany vao nisy ventiny. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 3 no ho 0 nanoloana an’i Kenya ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 15 hatramin’ny 23 jona ho avy izao, any Antsirabe, ny fifaninanana nasionaly N1A, faritra afovoany, taranja basikety, sokajy lahy sy vavy. Tsiahivina fa tany Atsinanana no natao ny N1A faritra Atsinanana, izay nanjakan’ny klioba avy aty Analamanga. ny GNBC no voalohany ho an’ny vehivavy, raha toa ka ny […]
Baolina kitra, sokajy vehivavy : tompondakan’Itasy ny Askam Afa
Fantatra avokoa ireo ekipa hisolo tena ny ligin’Itasy, fifaninanana nasionaly. Eo amin’ny sokajy vehivavy, ny Askam Afa no hiaro ny voninahitry ny faritra. Ny Ojay Imerintsiatosika kosa ny an’ny lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Itasy, amin’ny taranja baolina kitra, vehivavy, ny ekipan’ny Askam Afa, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianjan’ Amboniatsimo. […]