Malagasy mpilomano tsy zovina amin’ny maro, Rabejaona Holy Antsa. Nisongadina tanteraka izy, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, 25 metatra, natao farany teo. Fahombiazana tanteraka no azon-dRabejaona Holy Antsa, nandritra ity fifaninanana natao teny amin’ny dobo filomanosana Antanimena ity, ny faran’ny herinandro. Fandresena 100 isan-jato no azony satria, […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Nahazo ny fandresena tamin’ny “Motocross Grand Prix 501” indray, i Claudio Tida, Malagasy mpilalao Motocross, ny alahadin’ny paka lasa teo. Fifaninanana natao tany Datsara Village Toamasina. Tsiahivina fa mbola mitarika vonjimaika, laharana voalohany, amin’ity fifanintsanana ity i Mathias Plantive, nahazo fandresena telo tamin’ireo dingana dimy efa vita. Nifarana ny 29 […]
Tsipy kanetibe: hanomboka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara
Hotanterahina eny amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny 5 hatramin’ny 7 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “seniors”, lehilahy, lalaovin’olona telo, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM). Homena 750 000 Ar izay […]
Pancrace International: resin’i Mostepha i Xavier Fandihana
Notanterahina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady 31 marsa lasa teo, ny Pancrace sy K1. Fihaonana iraisam-pirenena nokarakarain’ny vaomiera malagasin’ny pancrace sy ny submission (CMPS). Nifanandrinan’ny Malagasy sy i La Réunion. Fandresena 4 ho an’ny vahiny, raha 1 ny an’i Madagasikara. Anisan’ny nibatan’ny Malagasy medaly volamena, ny nandresen’i Star […]
Kianjaben’i Mahamasina: ho tonga rahampitso ny iraky ny Kaonfederasiona Afrikanina (Caf)
Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny hoavin’ny kianjaben’i Mahamasina. Hanao fitsirihana sy hanadihady mahakasika io fotodrafitrasa io mantsy ny iraka manokan’ny Kaonfederasiona Afrikanina (Caf). Hamantarana izay tokony hohavaozina sy hamboarina izy ireo. Ho tonga rahampitso alakamisy, eto Madagasikara, i Josua Andries Hoebeb, iraka manokan’ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny baolina kitra (Caf). Anton-diany […]