Anjaran’ny Makis Ladies no miakatra kianja amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana. Hanomboka anio ny fifanintsanana ho azy ireo. Tsy misy afa-tsy firenena dimy ny hiady medaly volamena. Hanomboka, anio, ny fifanintsanana ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy vehivavy eo amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Tsy misy […]
Fanatajahantena
Petanky Be Analamanga: lasan’ny fokontany Ambohitsoa ny Scooter
Fahombiazana ny Petanky Be Analamanga, nokarakarain’ny ligy, notanterahina ny sabotsy sy alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ivato. Fihaonana nifanandrinan’ireo fokontany eto an-dRenivohitra. Voalohany ny fokontany Ambohitsoa, nisy an’i Jean-Chrysostome sy Solotiana ary i Jimmy. Lasan-dry zalahy ny moto scooter sy ny solosaina ho an’ny fokontany ary finday avy amin’ny […]
Hanatsarana ny volley-ball : hifandinika ireo teknisiana
Mitohy hatrany ny fitadiavana vahaolana sy paikady hanatsarana ny taranja volley-ball, ataon’ny federasiona malagasy. Taorian’ny jery todika natao mahakasika ny fandraisan’i Madagasikara ny “CCZone7” farany teo, hisy ny fampihaonana ireo Malagasy teknisiana. Andro iray atokana ho an’ny mpitantana, mpanazatra, mpikatroka, hifandinihana izay tokony hanatsarana ity taranja ity. Ny sabotsy 23 […]
Lalao ara-pirahalahiana: mpitsara maorisianina avokoa no hitantana ny lalao
Ireo mpitsara avy amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, no hiandraikitra ny fihaonana rehetra hatao etsy Mahamasina, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Afaka telo andro sisa, hiatrika lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” ny ekipa nasionaly malagasy. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina […]
“Trail Ibity”: Hanangonam-bola ho an’ny ankizy tsy ampy sakafo
Hotanterahina ny alahady 7 avrily ho avy izao, ny andiany fahavalo amin’ny “Trail Ibity”. Fifaninanana karakarain’ny Association Antenna Madagascar ao Ibity, izay miahy ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Araka izany, hampiantrano ity hetsika ity ny faritra Vakinankaratra. Hiavaka amin’ireo andiany teo aloha ity satria mitondra fanatsarana hatrany ny mpikarakara. […]