Taorian’ny faritr’i Fianarantsoa, hitohy any amin’ny faritr’i Antsiranana indray, ny hetsika lehibe ho an’ny tanora “Youth Connekt 2025”. Araka ny vaovao voaray, hotanterahina manomboka ny 12 jolay ho avy izao, ao amin’ny Gymnase Soafeno, ity hetsika ity. Marihina fa miaraka misalaha amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena […]
Fanatajahantena
Fahafatesan’i Lolody : «Efa nandindona azy», hoy ny vadiny sy ny reniny
Anisan’ireo kintan’ny baolina kitra malagasy, nisongadina tany Seychelles, i Lolody. Nodimandry ny 4 jolay lasa teo moa ny tenany, nisy ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo akaiky azy, mahakasika ny nahafatesany. “Marobe” , anarana fiantsoana an’Itompokolahy, Malagasy mpanao baolina kitra, 31 taona, mpilaravinahitra tao Seychelles, zanak’i Toamasina avy ao Fenoarivo atsinanana. […]
“Afrobasket 2025” : Hitondra ny Ankoay i John Douanglin sy i Ndranto
Afaka iray volana, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Afrobasket 2025”, any Angola. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety, fantatra fa hitondra ny Ankoay, mandritra io fifanintsanana io, i John Douanglin, teknisianina frantsay sy Rakotonanahary Ndranto. I John Douanglin izany no handimby ny toeran-dRavonimbola Jeannot, […]
SOMBIM-BAOVAO
Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa- dalana ny lalan’ny Ankoay, nandritra ny fifaninanana Run Bal, taranja basikety, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Mexique tamin’ny isa 21 no ho 19 ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa fandresena 3 nisesy no azon’izy ireo talohan’ity ampahefa-dalana ity. Hiditra amin’ny andro fahatelo, […]
Echecs-Inter Club : Mpilalao 204 nifaninana
Tontosa ny sabotsy 5 jolay lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana «Tournoi inter club par équipe», sokajy tanora, taranja échecs. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja échecs. Niavaka ity fifaninanana ity noho ny hamaroan’ny mpandray anjara izay nahatratra 204 be izao. Ekipa 45 avy amin’ny klioba 17, […]




