Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), afakomaly, ny lisitr’ireo mpilalao 42 mirahalahy hanaovan’ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, sivana, ho an’izay hiatrika ny « Chan 2025 ». Tsara marihina fa efa ao anatin’ny fanomanana ity fifanintsanana afrikanina ity ny Malagasy mpilalao. Tsikaritra tao anatin’ity lisitra ity fa tsy tafiditra anatin’ireo […]
Fanatajahantena
Fampivondronana ny ankizy: Homanina dieny izao ny hoavin’ny taranja Karate
Nanomboka ny 3 jolay lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ary hifarana ny alahady izao, ny fampivondronana ireo ankizy latsaky ny 14 taona, taranja karate. Tanjona amin’izany ny hanomanana sahady ny hoavin’ny taranja karate, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Emile. Ireto ankizy manomboka amin’ny U8 hatramin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanomboka anio, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Mialoha ny fifaninanana, hisy ny « Clinic des entraineurs » hatao ho amin’ny anio, ao amin’ny Arena Toamasina. Efa vita omaly kosa ny fivoriana ara-teknika. Misaona indray ny tontolon’ny baolina […]
Handball: Mampitandrina ny Federasionina
Namoaka filazana ho an’ireo ligim-paritra rehetra eo ambany fifehezany ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny 21 jona lasa teo, fa tokony hanaja ny lalàna manan-kery ny hetsika rehetra hataon’izy ireo. Ho an’ireo klioba tsy ankanavaka, tsy misy afaka mandray anjara na manao lalao amin’ny ekipa vahiny raha tsy mahazo alalana […]
Manasa-dalan’ny «Yas Coupe Madagascar » : Hanokatra ny lalao ny Elgeco Plus sy ny Cosfa
Hifantoka etsy amin’ny Elgeco Plus By-Pass indray ny sain’ny mpanaraka baolina kitra malagasy, amin’ity herinandro ity. Samy hiady ny tapakilan’ny famaranan’ny “Yas Coupe de Madagascar” ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana. Raikitra izy ity! Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara […]




