Fanatajahantena

Basikety : Mpitsara 21 eto Afrika manaraka fiofanana

Mandray ny fampiofanana ho an’ny mpitsara eto Afrika, karakarain’ny Fiba Afrika, i Madagasikara. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany, haharitra 4 andro. Mpitsara 21 mianadahy avy amin’ny firenena 12 (Madagascar, Algérie, Botswana, Cameroun, Égypte, Éthiopie, Gabon, Kenya, République centrafricaine, Rwanda, Tanzanie, Angola) no manaraka izany […]

Fanasaziana Karatekas: Samy nitondra fanazavana i Mami sy ny FKM

Somary nafana indray taorian’ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja karate, ny resaka mahakasika ilay atleta voalaza fa voasazy. Fantatra fa nandray anjara tamin’io fifaninanana io, ny faran’ny herinandro teo, Raveloson Mami-Mick, ilay atleta misedra olana ary voahosotra ho tompondaka teo amin’ny kata individuel. Nisy, araka izany, ny fanazavana […]

Basikety N1A : Ekipa misongadina ny ASSM Analamanga

Hiditra amin’ny dingana fa­rany, manomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety, tontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ma­nom­boka hita taratra ireo ekipa henjana amin’ity fifaninanana ity. Anisan’ny misongadina ny ASSM Anala­man­ga, eo amin’ny sokajy vehivavy. Lalao dimy no natrehin’izy ireo hatreto ary fandresena 4 […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpilalao nantsoin’ny Elgeco Plus handrafitra ny ekipany amin’ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka, ilay kameroney i Pafong. Ankoatra azy, hisy mpilalao hafa avy eto an-toerana telo hafa, ka anisan’izany i Gregas. Tsiahivina fa hidona amin’ny Silver Strikers Malawi izy ireo amin’izany. Hiditra amin’ny andiany fahatelo indray […]