Fanatajahantena

Kung Fu- Ligin’i Sava: Voafidy ho filoha ny Maître Daniel

Nitombo iray indray ny ligy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu. Nahavita fifidianana ny 30 jona lasa teo ny ligin’i Sava. Lany ho filoha hitantana mandritra ny 4 taona manaraka ny Maître Daniel. Nanara-dalàna tsara ny fifidianana, raha ny tatitra. Natrehin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Ny minisitera izay […]

Sombim-baovao

Nahemotra amin’ny 14 hatramin’ny 20 jolay izao, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Jamborées Minibasket ». Hetsika karakarain’ny kaomisionin’ny Minibasket eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Natokana ho an’ny katitakely tia sy milalao basikety izy ity. Efa nifarana ny 2 jolay lasa teo ny fisoratana anarana, raha toa ka ny 13 jolay […]

Rugby: Efa misokatra ny fifindrana klioba

Nambaran’ny federasionina Malagasy Rugby tao amin’ny pejy, tambajotra seraserany, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa efa nisokatra nanomboka ny talata 1 jolay, ny vanim-potoana fifindran-toerana ho an’ireo mpilalao baolina lavalava eto Madagasikara. Haharitra hatramin’ny 29 aogositra izao ny faharetan’izany. Nomarihin’ny tomponandraikitra fa tsy misy fandraisana izany intsony raha dila io fe-potoana […]

Mama FC sy ny Elgeco Plus: Nasehon’ny filohan’ny FMF fa mampihavana ny baolina kitra

Manoloana ny resaka mandeha amin’izao fotoana, nanao fampihavanana sy nampanjaka ny resaka « Fair-play », teo amin’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF).  Ny fihavanana maha Malagasy ary ny « Fair Play » ny an’ny baolina kitra! Ireo teny ireo, azo hilazana ny zava-nisy teny Ambohidahy, afakomaly. Fotoana […]

Baolina kitra kaomorianina : Mandalo krizy ny Federasionina any an-toerana ?

Araka ny fikarohana na­tao, omaly, izay navoakan’ny lahatsoratra an-gazety iray, Sport News Africa, fantatra fa mandalo fotoan-tsarotra ny Federasionin’ny baolina kitra kaomorianina (FFC). Raha ny fanazavana azo tamin’ity gazety iray ity, tsy dia hita ao an-toerana ny filohan’ny Federasiona FFC, Saïd Ali Saïd Athouman, izay lany fanindroany hitantana ity rafitra […]