Fanatajahantena

Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ho an’ny baolina kitra ny fananana kianja”

Miezaka manatsara sy mampivoatra ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanjakana. Manaporofo izany ny firosoana amin’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny « tribunes » etsy amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy. Ho fanatsarana ny tonto­lon’ny baolina kitra eto Ma­dagasikara, noha­tsa­raina ny kianjan’ny CFFA etsy Andoharanofotsy. Nape­traky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny Iavolo­ha, omaly, ny vato fototra […]

Baolina kitra – Amboaran’ny CAF: Mpilalao 25 hoentin’ny AS Fanalamanga

Hanainga amin’ny herinandro ho avy io ny AS Fanala­man­ga, hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny Caf, taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohany amin’ny Ferroviaro Mozambique. Nambaran-dRabeva­hiny Arlem, tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antaninarenina, omaly, fa mpilalao 25 no hoentin’ny ekipany miatrika izany. Any Mozambika avokoa no […]

Rugby – Federal 2 : Hifandona ny Rosa Club sy ny US Ikopa

Hanomboka amin’ny alahady 14 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eo amin’ny “Federal 2”, taranja rugby. Fihaonana karakarain’ny Malagasy Rugby. Lalao telo avy hatrany no voalahatra amin’izany ka adin’ny samy kartie avokoa ireo fihaonana. Anisan’ny dona andrasan’ny rehetra ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Tanterahina any Alzeria, nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny 10 septambra izao, ny “Forum Mini-basket” eto Afrika. Fiofanana natokana ho an’ny tontolon’ny basikety ho an’ny Ankizy, hivondronan’ireo mpisehatra amin’ity taranja ity. Manana Kaomisionina mahakasika izany i Madagasikara, ary manana solontena miatrika izany koa any an-toerana. Hotanterahina ny 12 oktobra izao, ao amin’ny […]

Judo-Vétérans : Tanjona ny hamiratra amin’ny “Mondial”

Tonga teto an-tanindrazana, ny alatsinainy teo, ny Malagasy delegasionina niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Vétérans. Vokatra tsara no nentin’izy ireo niverina avy any Maorisy ary mbola maniry ny handray anjara sy haka fandresena hatrany, amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Paris, amin’ity taona ity. Tsiahivina, […]