Sambany hisy ny sekoly manofana mpiandry tsatoby eto Madagasikara. Hisokatra manomboka ny sabotsy 9 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja synthètique Betongolo ny Ecole de gardien de but de Madagascar (EGBM). Nanangana izany, Rasolofoniaina Pascal Honoré, mpiandry tsatoby tao amin’ny USJF Ravinala teo aloha ary efa nandrafitra ny […]
Fanatajahantena
Rugby – « Super Coupe 2023 »: lasan’ny FTM Manjakaray ny amboara
Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboaraben’ny “Super Coupe 2023”, taranja Rugby, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Resin’izy ireo tamin’ny isa tery 38 no ho 36 ny Cosfa miaramila. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, hita fa nifandanja tanteraka ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Ady sahala 21 no ho 21 no nentin’ireto ekipa roa […]
DAKA AN-JORONY: mpanambola, vola baoritra
Ekena fa ny vola no hozatry ny fiainana, araka ny oha-pitenena malagasy. Tsy misy zavatra mandeha tokoa raha tsy eo io singa iray io. Hiankinan’ny seha-pihariana rehetra ny vola saingy manimba zavatra maro ihany koa raha tena omena laka. Anisan’ny miteniteny mihitsy izy amin’izao fotoana izao, eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. […]
Barea de Madagascar : naverina nantsoina i Carolus sy Abdallah ary Fabien Boyer
Nivoaka omaly, teny amin’ny biraon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao voafantina voalohany hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana “Fenêtre Fifa”. Hotanterahina manomboka ny 18 marsa ho avy izao, eto Madagasikara, ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa ». Miisa 33 ireo Malagasy mpilalao nantsoin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach […]
JJB-Vonjy Voina : mpitsara sy “Maître de salle” 40 nahazo fiofanana
Niditra tamin’ny andro faharoa, ny sabotsy 2 marsa lasa teo, ny fiofanana “Sapeurs-pompiers”, ho an’ny mpitsara sy mpitantana toeram-pikotranana, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana. Manodidina ny 40 ireo tonga namaly ny antso ka niatrika ity fampiofanana nomen’ny Mpamonjy voina eny Tsaralalana ity. Tsiahivina fa tamin’ny 24 febroary no nanatanterahina ny […]