Taorian’ny fahavitan’ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, tsy mitsahatra mitady ny fomba ampiakarana ny lentan’ity taranja ity ny mpitantana ny FMDSS. Manatanteraka fitsidiham-paritra izy ireo, manome fiofanana ho an’ny mpitsara fifaninanana. Mpitsara 20 no efa nisitraka izany tao Vakinankaratra, ary 22 kosa tany Atsinanana. Hitohy any Boeny, ny […]
Fanatajahantena
Lalaon’i Madagasikara sy i Maroc: aorian’ny Barea ny vahoaka malagasy
Hatao, anio, any Kenya, ny famaranan’ny “Chan 2024”. Samy vonona ny haka io amboara lehibe io i Madagasikara sy i Maroc. Ho avy hanohana ny Barea any Kenya ny filoham- pirenena malagasy. Tonga ity ny fotoana! Hiatrika ny lalao famaranan’ny “Chan 2024”, izay hatao any Nairobi Kenya, anio, i Madagasikara. […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny 30 aogositra izao, ao Toliara, ny fifaninanana “Tournoi du Capricorne”, taranja judo. Fifaninanana anisan’ny goavana ho an’ity taranja ity, mialoha ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny volana desambra izao. Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny […]
« JJB Attila » : Mametraka ny anarany amin’ny sokajy ankizy
Nandray anjara voalohany tamin’ny fifaninanana ho an’ny ankizy, “Kids BJJ Games”, ny klioban’ny JJB Attila, ny herinandro lasa teo. Fandraisana anjara voalohany kanefa nahitam-bokany. Medaly volafotsy 3 no azon’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity, tamin’ny alalan’i Océane (zazavavy 15 taona), i Misandratra (zazalahy 14 taona) ary i Misanda (zazalahy 12 […]
Tsipy kanetibe : Resy fa mbola mitarika ny Malagasy
Notanterahina ny alarobia lasa teo, tao Roman-sur-Isère, ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nihintsana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny ekipa malagasy, nisy an’i Yves sy i Balôty ary i Tianakely. Lavon’i Italie, tamin’ny isa mazava 13 no ho 0, izy ireo. Nisongadina ny fahaiza-manao italianina, […]





