Feno ary manan-danja tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Federasionina ny Karate-do malagasy, ho an’ny tapa-taona faharoa, ao anatin’ny taom-pikatrohana 2025. Ahitana taratra ny fampivelarana ny atleta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ireo fifaninanana rehetra hitranga manomboka amin’ity volana jona ity hatramin’ny volana desambra 2025. “Open International de Tanà” Fifaninanana voalohany amin’ny tantaran’ny […]
Fanatajahantena
Rugby « Africa Seven’s »: manao Mondial ny Makis Seven.
Nisongadina indray ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny fifaninanana Rugby, « Africa Seven’s », izay notanterahina tany Maurice, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Laharana faharoa ny Malagasy, resin’i Afrika Atsimo, 28 no ho 12, tany amin’ny famaranana. Tafita any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny taranja Rugby, lalaovin’olona […]
SOMBIM-BAOVAO
Nifindra klioba ao amin’ny Standard de Liège, Belzika, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Marco Ilaimaharitra. Roa taona eo ny fifanarahan’ny klioba roa tonta. Tsiahivina fa i Marco Ilaimaharitra, tsy niala tao amin’ny fampivondronan’ny Barea, noho ny tsy fandoavana ny tambin-karama. Anisan’ny hifanandrina amin’ny fifaninanana “Combat Avenir 5”, taranja kick-boxing, hatao […]
Baolina kitra – « Yas Coupe de Madagascar » : Hanokatra izany ny Ajesaia sy ny As Fanalamanga
Hotontosaina, anio sy rahampitso, eny By-Pass, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar », taranja baolina kitra. Anisan’ny fifanandrinana andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia Bongolava sy ny As Fanalamanga, avy ao Moramanga. Hatao androany amin’ny 2 ora, eny an-toerana, ity fihaonana ity. Tsara ny mampahatsiahy […]
Basikety-N1B : Fantatra ireo hiatrika ny manasa-dalana
Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1B lahy sy vavy. Efa fantatra avokoa ireo tafakatra hiatrika izany, taorian’ny lalao ampahefa-dalana, omaly. Fifaninanana tontosaina any Fianarantsoa. Ho an’ny sokajy vehivavy, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny ekipan’ny JCBA Analamanga rehefa nanilika ny ekipan’ny Pintade […]




