Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy D1. Nivoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny an’ny Besarety sy ny FTFA Antohomadinika. Tamin’ny isa […]
Fanatajahantena
Basketball 3×3: Mpilalao mendrika indrindra i Livio
Na dia tsy nandrombaka ny fandresena teo amin’ny famaranana aza ny ekipa malagasy, nandritra ny fifaninanana “International Basketball 3×3”, tsy mitsanga-menatra, satria voafidy ho mpilalao mendrika ny Malagasy mpilalao, Ratianarivo Livio. Ity mpilalao ity izay laharana voalohany amin’ny basikety eto Madagasikara. Tsiahivina fa tontosa tany Russie, ny faran’ny herinandro teo, […]
Filoha Rajoelina Andry: « Ny ezaky ny tena no mahatafita »
Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa antoky ny fahombiazan’ny tsirairay ny ezaka ataony. Porofon’izany ny Barean’i Madagasikara, izay nomena mari-boninahitra sy volabe, teny Iavoloha. Noraisin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ireo delegasionina Barean’i Madagasikara, niatrika ny « Chan 2024 », izay avy nandrombaka medaly volafotsy. Notoloran’ny filoham-pirenena […]
Basikety-Mada U20 : Tompondaka ny EBF sy ny NBE
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Arivonimamo, ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny NBE Vakinankaratra ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny ekipan’ny EBF Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa fifaninanana mamarana ny taona, […]
Karate Tanà Ville-« Kids Cup&U14 » : Nahazo medaly 18 ny ny klioban’ny Tekado
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja karate. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny klioban’ny Tekado. Karatekas 18 no solontenan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity ary tena tsara ny vokatra azo. Medaly 18 be izao noraofin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tekado, […]





