Hotanterahina, ny 30 sy 31 aogositra izao, eny amin’ny Parvis Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Quest Alley Hoop”, taranja basikety lalaovin’olona 3. Fifaninanana hitiliana ny ekipa hiatrika ny “World Tour” hatao any Chine, ny volana oktobra izao, ity lalao ity. Nosafidiana manokana ny hanatanterahana ny lalao manoloana ny […]
Fanatajahantena
Rallye: Mitarika vonjimaika i Faniry TMF
Taorian’ny fahavitan’ny Rallye FMMSAM, dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny familiana fiarakodia, mitarika vonjimaika Rasoamaromaka Faniry, mpanamory avy amin’ny klioba TFM. Manana isa 35, arahin-dRabetafika Daniel avy amin’ny Asa Tanà, amin’ny isa 26. I Aro Kiady, ekipazy ny klioba ASACM kosa ny fahatelo nahazo isa 18. […]
“Urban Trail »: Iarahan’ny Rotary Club sy ny MJS mikarakara
Hankalazaina ny faran’ny volana jona ho avy izao, ny Andro iraisam-pirenen’ny fanatanjahantena. Anisan’ny firenena mikarakara izany i Madagasikara. Araka ny valandresaka natao tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, hotanterahina ny 28 hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny fanatanjahantena. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny minisiteran’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny vaovao miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera, omaly, nodimandry Rasoanaivo Kael, zanak’i Titi Rasoanaivo, Malagasy mpanazatra efa nitondra ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Barea teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana. Hotontosaina ao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport sy ao amin’ny Kianja […]
Federasionina malagasin’ny taekwondo : Filoha lefitra Rakotomanana Franck Tiana
Nanatanteraka hetsika fanomezana diplaoma ho an’ny taranja taekwondo WT, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo, ny Federasionina malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Araka ny fanadihadiana natao, efa nisy ny fanolorana ny birao vaovao teny an-toerana, ary fantatra taorian’io fa voatendry ho tomponandraikitra lefitra hitantana ny FMTKD, Rakotomanana Franck Tiana, filohan’ny federasionina teo […]




