Nanatanteraka fiofanana ho an’ny Maître de salle ny ligin’ny Karate-do Anôsy, ny faran’ny herinandro teo. Fiofanana notarihin’ny mpanazatra iraisam-pirenena, Shihan Georges Hafizou, sy ireo mpanazatra nasionaly. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana taorian’ny fiofanana. Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 4 hatramin’ny 14 septambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A […]
Fanatajahantena
Basikety-taona 2025 : Tsara ny vokatra ho an’ny Klioban’ny NBE
Klioba manomboka mametraka ny anarany eo amin’ny sehatra nasionaly ny NBE (New Basket Evolution) Analamanga. Ho an’ny taom-pikatrohana 2025, tsara ny vokatra ho azy ireo, satria tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, sokajy lehilahy, izay natao tany Arivonimamo ary tompondakan’i Madagasikara lefitra, teo amin’ny sokajy latsaky ny […]
Atletisma – Mada 2025: Atleta mendrika i Flaurentine sy i Eric Justin
Nisongadina ny atleta avy amin’ireo ligim-paritra nandritra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, ny faran’ny herinandro teo. Norombahin’izy ireo avokoa ny amboara ho an’ireo atleta mendrika. Lasan’i Flaurentine ho an’ny vehivavy ary i Eric Justin, teo amin’ny lehilahy. Tontosa teny amin’ny Kianja Alarobia, ny 29 hatramin’ny 31 aogositra lasa teo, […]
Kianja CFFA Andoharanofotsy : Hapetraka ny « tribune » sy ny « vestiaire »
Hiova endrika manomboka amin’ny fifaninanam-pirenena 2025/2026 ny kianja CFFA Andoharanofotsy. Hisy “tribune” sy “vestiaire” ary voafefy ny manodidina ny kianja filalaovana. Hanomboka ny 10 septambra ho avy izao ny asa fanamboarana, araka ny nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny ligin’Analamanga Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny ligin’Analamanga, sady mpitantana ny klioba CFFA tamin’ny mpanao […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Madagascar International BJJ”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Ady goavana indrindra amin’ity taona ity io fifaninanana io. Misokatra ny 8 septambra izao ny fisoratana anarana ary mifarana ny 6 oktobra. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana rezionaly ho an’ny ligin’i […]





