Fanatajahantena

Volley-CCZone 7 : hanao famaranana ny GNVB lahy sy vavy

Fahombiazana tanteraka no azon’ny ekipan’ny GNVB, omaly, nandritra ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball. Samy hiatrika ny famaranana, anio, ny GNVB lahy sy vavy. Voatazona aloha hatreto ny fanamby napetraky ny ekipan’ny Zandari­ma­riam-pirenena. Nambaran’ ny mpanazatra, Razafinjatovo Jean Honoré, tany am-piandohan’ity fifaninanana ity […]

Tsipy kanetibe : hahazo 2 tapitrisa Ar izay tompondaka

Hotanterahina, anio sy rahampitso, eny Tanjombato, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay voahosotra ho tompondaka amin’izany. Homena 500 000 Ar kosa izay tompondaka amin’ny “doublette” sokajy vehivavy. Ankoatra izay, misy ihany koa […]

Rugby – «Super coupe»: hanalavela amin’ ny Cosfa ny FTM

Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izay tena laharana voalohany amin’ny taranja rugby. Hiady izany, amin’ny alalan’ny “super coupe de Madagascar” ny FTM tompondaka sy ny Cosfa tompon’ny amboara. Hangotraka io fihaonana io satria ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Raha teo amin’ny fihaonana farany, nivoaka […]

“Moto Cross Mada 2024” : hatao ny alahady izao ny dingana fahatelo

Hotontosaina ny alahady ho avy izao eny Ambohidava Antananarivo, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja “Motocross 2024”, sokajy “élite 1”. Hampiavaka ity fifanintsanana ity ny fisian’ ireo vahiny avy any La Réu­nion hifanintsana amin’ireo Malagasy mpilalao. Tsiahivina fa nanjakan’i Mathias Plantive, Malagasy mpilalao moto, tanteraka ny dingana […]