Mbola miredareda ao am-pon’ny Malagasy 32 tapitrisa sy ireo mpiray tanindrazana mila ravinahitra manerana izao tontolo izao, ny dingana vitan’ny Barea de Madagascar, tamin’ny Chan 2024. Na tsy nitondra amboara nody aza, niravaka laza sy dera. Tsy ny teto Afrika ihany fa maneran-tany mihitsy. Nidera ny fahaizan’ny Barea ireo manam-pahaizana […]
Fanatajahantena
Tolona torapasika- Afrika: Nahena ny isan’ny atleta noho ny olana ara-bola
Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Tolona, voatery nahena ny isan’ireo delegasiona miaro ny voninahi-pirenena any Maroc, mandritra ny fifanintsanana “Beach Wrestling Africa 2025”. Hotanterahina any Casa Blanca Maroc, ny 3 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika […]
Barean’i Madagasikara : Homena villa tsirairay ny mpilalao
Tonga an-tanindrazana ny Barean’i Madagasikara, omaly. Noraisina tamin’ny fomba manetriketrika izy ireo. Notoloran’ny fitondram-panjakana villa tsirairay avy ny mpilalao sy ny mpanazatra. Miavaka! Tafaverina omaly, teto an-tanindrazana, ny ekipa nasionaly Barean’i Madagasikara, izay avy niatrika ny “Chan 2024”, tany Kenya, Ouganda, Tanzania, ny 1-30 aogositra lasa teo. Rehefa tonga teny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nahemotra amin’ny 20 sy 21 septambra izao ny fifaninanana “Alley Hoop Quest 3×3”, taranja basikety, ho an’ny sokajy U17 sy U23 lahy sy vavy, nokasaina hatao ny faran’ity herinandro ity. Noho ny fifanindriana amin’ny fitsenana ny Barea no antony raha ny voalazan’ny mpikarakara. Hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha kosa ny […]
Rugby – «Top 8 Mada»: Hanala vela amin’ny FTM ny TFA
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso, ny dingana manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby na «Top 8 Mada». Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Manjakaray. Hiendrika famaranana kely ny an’ny roa tonta. Adin’ny samy kartie mantsy io ary ekipa diso mifankahalala tsara ireo […]





