Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra ny mpankafy rugby. Hanomboka anio ny fiadiana ny “Africa Men’s Sevens” sady hiadiana ny tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7. Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja Lambourdonnais Club ao Maurice, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny […]
Fanatajahantena
“World Cup 3×3”: Miankina amin’ny mpilalao ny vokatra
Fifaninanana goavana no miandry ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lahy sy vavy, amin’io herinandro ho avy io. Hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo i Madagasikara, ny 23 hatramin’ny 27 jona izao, any Mongolie. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa miankina tanteraka amin’ireo mpilalao ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Niady ny fifandonan’ny ekipa Phoenix Vakinankaratra sy ny Sepa ABM Boeny, sokajy vehivavy nandritra ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1B, tanterahina any Fianarantsoa. Isa 72 no ho 69 no nisarahan’ny roa tonta, nandresy ny Phoenix. Hotontosaina ny 29 jona izao ny fifaninanana “Top Fight”, taranja kick boxing, karakarain’ny […]
Rugby a 7, sokajy lehilahy: Hiady ny tapakilan’ny Mondial ny Makis
Nanainga omaly, hihazo an’i Maurice, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny ady tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, taranja rugby, lalaovin’olona 7, lehilahy, ny Makis de Madagascar. 13 ireo mpilalao hanao ka anisany ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, i Hugo Manolo. Nambaran-dRazily, mpanazatra, fa tsy olom-baovao izy […]
« World Cola PFL » : Nahazo rariny ny As Fanalamanga
Araka ny fanadihadiana natao omaly, nahazo rariny teo anivon’ny fitsipi-pifehezana (Codis) an’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fitarainana ataon’ny As Fanalamanga. Tsiahivina fa nametraka fitarainana teo anivon’ity sampandraharaha ity, mahakasika ilay baolina tafiditr’izy ireo, teo anatrehan’ny CFFA Andoharanofotsy, saingy nolavin’ny mpitsara mpanampy, ny As Fanalamanga. Ity lalao ity izay […]




