Nanomboka ny 14 jona lasa teo ary hitohy hatramin’ny 19 jona izao ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa taranja lomano, tontosaina ao amin’ny dobo filomanosana Olympique Angelotti ao Montpellier. Toy ny efa fanao isan-taona, mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny Malagasy mpilomano milaravinahitra any Frantsa, Rakotondramanga Eliot. Efa niditra an-tsehatra teo […]
Fanatajahantena
Rugby an’olona 7: Hidona voalohany amin’ ny Makis i Maurice
Lalao telo avy hatrany no miandry ny Makis de Madagascar eo amin’ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’olona 7, sokajy lehilahy. Hisantarana izany ny fifandonana amin’i Maurice, mpampiantrano.. Hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny sabotsy 21 sy alahady 22 jona ho avy izao, ny fiadiana ny […]
« Fetiben’ny haiady »: Nampiseho ny fahaiza-manaony ny FDS
Natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fetiben’ny haiady nokarakarain’ny eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Tanjona ny hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo anivon’ny FDS satria tafiditra ao anatin’ny kolontsaina miaramila ny fifehezana ny haiady, araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana […]
«Échec» – maneran-tany : Tao anatin’ny ekipa afrikanina i Fy Antenaina
Notontosaina ny 11 hatramin’ny 15 jona teo, tany Londres, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Échecs (Blitz & Rapide). Tsy diso anjara i Madagasikara, fa nanana solontena, tamin’ny alalan-dRakotomaharo Fy Antenaina. Anisan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipa afrikanina mantsy izy tamin’ity fifaninanana ity. Teo amin’ny vokatra kosa, laharana faha-29 ny ekipa […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao soro-baton’ilay jamba
Matetika rehefa manao zavatra ny federasionina na ny ligy, eny hatramin’ny seksiona aza, toa tsy mijery lalana hany ka toa manao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Ny jamba rehefa mandeha, tsy mahita izay eo anoloany, rehefa midona amin-javatra vao mahalala mivily. Raisina ho toy izany ny zava-misy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena […]




