Hifarana anio, etsy amin’ny kianja Academica Andohatapenaka, ny fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona enina. Mikarakara izany ny Fikambanana mpiara-mitolona miaraka amin’i Andry Rajoelina (Fimmar), etsy amin’ny boriborintany I, tarihin’i Toussaint na Bolô. Mandray anjara amin’izao lalao izao ireo fokontany miisa 16 amin’ireo 44. “Tanjona ny fitaizana ny tanora ho any anatin’ny […]
Fanatajahantena
Volley-ball-CCZone 7: hifandona ny Cosfa sy ny GNVB anio
Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball (CCZone 7). Samy Malagasy no hifanandrina amin’ny lalao manasa-dalana faharoa, anio, etsy Mahamasina. Niaraka tafakatra mantsy ny Cosfa sy ny GNVB, sokajy lehilahy, ka izy ireo no hiady ny […]
Volley-CCZone 7: tafakatra manasa-dalana ny GNVB, vehivavy
Samy ho tazana amin’ny lalao manasa-dalana avokoa ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba, faritra faha-7 (CCZone 7), taranja Volley ball. Taorian’ny nahazoan’ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena lehilahy, ny tapakilan’ny manasa-dalana ny talata lasa teo, nahazo izany ihany koa ny GNVB, vehivavy, omaly alarobia 28 febroary, teny […]
Telma coupe de Mada : Ekipa 61 hiady izay ho lohany
Hatao ny alahady 3 sy ny 10 marsa ho avy izao, ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra «Telma coupe de Madagascar 2024». Mahatratra 61 ireo ekipa hiady izay ho lohany amin’ity fifaninam-pirenena ity. Hanomboka izany ny lalao savaranonando ka ireo ekipa tsy niatrika izany tamin’ny taon-dasa no […]
Youzou Smatchin Orange-And-10 : nanatombo betsaka ny isan’ ny mpandray anjara
Raikitra ny andiany faha-10, amin’ny fifaninanana Smatchin, izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 9 hatramin’ny 17 Marsa izao. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara, amin’ ity andiany ity. Tsiahivina fa 15 no ekipa nifaninana tamin’ny fiandohan’ny fifaninanana, ny taona 2012 ary niakatra tsikelikely […]