Fanatajahantena

CJSOI – Seychelles; Tafody omaly ny mpandray anjara

Tafaverina an-tanindrazana, omaly, ny ampahany faharoa tamin’ny delegasionina malagasy, niatrika ny lalaon’ny CJSOI 2025, izay notanterahina ny 1 hatramin’ny10 aogositra lasa teo, tany Seychelles. Nandray azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Nasongadiny tao anatin’ny lahateny fohy nataony, ny fankasitrahana […]

“Chan 2025”: Mila mandresy ny Barea

Ho fantatra anio ny ho tohin’ny lalan’ny Barea de Mada­gas­car, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Chan 2025”. Lalao natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, tanterahina atsy Tanzanie. Hifan­dona amin’i Centrafrique ny Barea, anio folakandro, eo amin’ ny andro fahatelo ho an’ny sokajy “B”. Fihaonana hatao […]

“Afrobasket 2025”: Hifandona voalohany amin’ny Ankoay i Nizeria

Nanomboka omaly, any Angola, ny fiadiana ny tompon­dakan’i Afrika “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy. Anio no hiakatra an-kianja ny Mala­gasy. Hi­fan­dona voalohany amin’ny An­koay, lehilahy, ny ekipan’i Nizeria, ao anatin’ny fifaninanana sokajy Seniors, araka ny fandaharan-dalao. Ny ekipan’i Kameronina kosa ny miandry azy ireo amin’ny zoma 15 aogositra ary ny ekipan’i […]

Handball – Mada Jeunes : Nanao pao-droa ny HC Est Atsimo Andrefana

Tontosa ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, tany Tsiroanomandidy, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Nisongadina ny HC Est Atsimo Andrefana. Nanao pao-droa mantsy ity ekipa ity, teo amin’ny Cadet sy ny Junior, lehilahy. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka tamin’ny fifanin­tsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo […]

«Marathon de Tana» : Hatao ny 12 oktobra izao

Anisan’ireo fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Federasio­nina malagasin’ny atletisma (FMA), amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity, ny «Marathon de Tana». Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 12 oktobra ho avy izao izany, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 2019 no nisian’ity fifaninanana ity farany. Hiverina indray, […]