Fanatajahantena

Club Natation ESCA : Dimy taona nioty fahombiazana

Anisan’ireo sekoly manana klioba eo amin’ny taranja lomano ny Esca Antanimena. Feno dimy taona amin’ity ny Club natation Esca. Tsy navelan’izy ireo handalo fotsiny izany fa nankalazainy niaraka tamin’ireo mpianatra beazina ao an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana isaka ny kilasy, no natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana Esca. […]

ASIEF 2025 : Taranja 21 no hifaninanana

Anatin’ny fanomanana sahady ny fifaninanana nasionaly, izay hatao any Mahajanga, ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), amin’izao fotoana izao. Fepetra maro no horaisina amin’ity taona ity mba hanatsarana ny fifaninanana. Anisan’ny zava-dehibe ny mahakasika ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana izay hisy vaovao amin’ity taona ity, raha ny […]

Karate – DAF : Miditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana

Efa eo amin’ny andiany faharoa ny fampiofanana ho an’ireo mpampianatra karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF(Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 16 mianadahy no manaraka izany, nanomboka ny alahady lasa teo. «Haharitra dimy herinandro eo ny fiofanana hatrehan’ireo mpampianatra ny taranja karate , andiany faharoa ireo » hoy ny filohan’ny Federa­sionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefinanahary […]

Tournoi député Fidy : Nafana ny manasa-dalana omaly

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja zaridainan’Ikopa Anosizato, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana inter-fokontany, izay karakarain’ny solombavambahoakan’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré, na fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe député Fidy. Tafita hiatrika ny famaranana amin’izany ny ekipa avy any Ambohibarikely sy ny avy etsy Madera Namontana. Araka ny vokatra azo omaly, lavon’ny […]

« World Cola PFL »: Lavon’ny Fosa Juniors ny CFFA

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL “. Anisan’ny fifanandrinana tena nandrasan’ny maro tamin’ny omaly, teny Iavoloha, ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Fosa Juniors Boeny. Nison­gadina ny ekipan’ny Boeny tamin’izany, lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny mpilalaon’Ando­haranofotsy. […]