Anisan’ireo olo-malaza nandray anjara lehibe teo amin’ny sehatra ara-kolontsaina eto Madagasikara sy tany ivelany (La Réunion, France, …), indrindra eo amin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rijamanitra. Nahavita nametraka ny maha izy azy sy ny vina entiny izy, ka nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny dihy eto amin’ny firenena. Tsy […]
Fanatajahantena
Yas Madagascar sy ny CUA : Hanisy “Fan Zone” mandritra ity Mondial ity
Tsy ho diso anjara afaka hiaina mivantana ny lalao amin’ny Mondial 2026 hatrany amin’ny famaranana ny mpankafy, etsy amin’ny Parvis Analakely. Hasiana “Fan Zone” maimaimpoana eny an-toerana. Ho fiatrehana ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, « Mondial 2026 », hisy ny « Fan Zone » handefa mivantana ny lalao, etsy […]
Ampahefa-dalana : Adin’ny samy firenen-dehibe sy matanjaka
Hitohy anio indray ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Hiatrika ny dingana ampahefa-dalana ireo ekipa valo sisa mbola manohy ny fifaninanana. Tsontsorimamba isarahana avokoa, araka izany, ny lalao rehetra. Maroc irery sisa ny solontena afrikanina. Hotanterahina manomboka anio, ny lalao voalohany amin’ny dingana ampahefa-dalana, eo amin’ny fiadiana ny […]
« Circuit Training » 2026 : Lasan’i Faby sy i Nantenaina ny laharana voalohany
Nafana dia nafana ny tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, nandritra ny fifaninanana “Circuit Training” andiany voalohany, nokarakarain’ny Zaka Rise Mada, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 80 ny isan’ireo mpifaninana tamin’izany. Nahitana fanazaran-tena maro, toy ny pompes, squats, burpees, sauts sur box (jump box), corde à sauter ary sprints ny fifanintsanana. […]
Pancrace : Handray ady iraisam-pirenena i Madagasikara
Hisy fifanintsanana iraisam-pirenena horaisin’i Madagasikara, amin’ny volana novambra ho avy izao. Efa nisy ny fijerevana an’ireo mpikatroka mendrika afaka hiatrika izany. Raha tsy misy ny fiovana, hampiantrano ady iraisam-pirenena eo amin’ny taranja Pancrace, i Madagasikara, ny volana novambra izao. Nambaran’ny filohan’ny CMPS (Commision malgache de pancrace et submission), ny kolonely Zafindranaivo Mely izany, nandritra […]




