Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Alakamisy Fenoarivo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja bisikileta, sokajy rehetra, lahy sy vavy. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta (FMC), Relahy Jean Claude, omaly, natao hitsirihana sahady ireo izay handrafitra ny ekipa nasionaly ity fifaninanam-pirenena ity. “Raha tsy […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Efa mahatratra 300 tapitrisa Ariary mahery ny sandan’ny fandaniana mankany Zambia, hoy ny filohan’ny klioba FC Rouge, ny alakamisy lasa teo. Nomarihiny fa tsy mbola ao anatin’izany ny fampiantranoana sy ny sakafo. Tsiahivina fa ny FC Rouge izay hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba. Efa mby akaiky […]
Fifanintsanana Can 2027 : Ny 25 sy 29 septambra ny lalaon’ny Barea
Ny faramparan’ny volana septambra no hiatrika ny lalao roa tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny toerana hiatrehana ny Can 2027 ny Barean’i Madagasikara. Hanafika any Nigeria, eo amin’ny andro voalohany, ary handray an’i Tanzanie, ao Maroc, ho an’ny andro faharoa. Araka ny fampahafantarana hita omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny […]
Volley-ball – Mada U15, zazalahy : Adin’ny samy zandary ny famaranana
Tontosa tany amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga, ny alarobia lasa teo, ny dingana manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy U15, zazalahy. Adin’ny samy ekipan’ny zandarimaria (GNVB) ny famaranana. Raha hiverenana, resin’ny GNVB 1, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/11 ; 25/7 ; 27/25) ny MVBC. Tsy niady […]
Aina Rafolo, mpanazatra ny Akomba: “Mahay fa tsy ampy lalao ny ankizy”
Fahadimy ny Akomba Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Afrique Australe), taranja tenisy, sokajy U12. “Vokatra mahavelombolo na lesoka aza ny tsy fahampian’ny fifaninanana”, hoy i Aina Rafolo, mpanazatra ny ekipa. Gazety Taratra (*): Fahadimy ny Akomba nandritra ny “Afrique Australe” taranja tenisy […]





