Fanatajahantena

Beach soccer : tsy nivoaka vondrona ny Faraonan’i Egypte

Nofaranan’Italia ny dian’i Egypte, solontenan’i Afrika amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja “Beach soccer”. Mbola manana fanantenana i Sénégal. Tanterahina ao amin’ny kianja Dubai Design Disctrict Stadium, ao United Arab Emirates, nanomboka ny 15 febroary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny […]

«Afrobasket Men 2025» : 12 mirahalahy hanafika any Egypte

Nanainga omaly, nihazo an’i Le Caire renivohitr’i Egypte, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy. Hiatrika ny dingana voalohany ho an’ny fifanintsanana «Afrobasket Men 2025» izy ireo. Fihaonana hatao ny 23 ka hatramin’ny 25 febroary ho avy izao. 12 mirahalahy ny mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona «D» no misy […]

Ping- Pong – «Mondial 2024» : tapitra hatreo ny dian’ i Madagasikara

Nofaranan-dry zareo Sinoa ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana maneran-tany taranja tenisy ambony latabatra. Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny ekipa malagasy. Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny “Mondial 2024”, taranja “ping pong”, lalao iraisana, i Madagasikara. Fifani­na­nana atao any Busan, Korea Atsimo. Resin’ny Sinoa avy ao Taipei tamin’ny isa […]

Ping Pong – “Mondial 2024”: resin’i Japon i Madagasikara

Notanterahina, omaly, ny andro fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, “ping pong”, lalao iraisana, izay atao any Busan Korea Atsimo. Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy. Nomontsanin’i Ja­pon, tamin’ny isa 3 no ho 0 izy ireo. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta. Lavon’i Harimoto […]

Échecs-Lalao Afrikanina : Solontenan’ny Malagasy i Fy sy i Tsinjoniavo

Anisan’ny taranja hifaninanan’i Madagasikara, mandritra ny lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny lalao Échecs. Hisolo tena ny Malagasy amin’izany Rakotomaharo Fy sy i Tsinjoniavo Aina Mahasambatra, ny 8 hatramin’ny 12 marsa izao. Samy antenaina hahazo medaly izy mianadahy ireto, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Échecs, Andrianantenaina Ramalanjaona. Tsiahivina, vao […]