Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Elgeco Plus, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar ». Misy lalao iray tsy maintsy averina. Fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba fito tafita amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagascar, «Yas Coupe de Madagascar», taranja baolina kitra. Anisan’izany ny […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona izao, any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley, ho an’ny taona 2025. Eny amin’ny torapasika, eo ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana mandritra ny 3 andro. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu, mandritra ny […]
Karting –Mada 2025 : 25 ireo mpanamory hiady ho lohany
Miisa 25 ireo mpanamory nisoratra anarana hiady ny 1er Grand Prix, taranja karting. Fifaninanana hotanterahina rahampitso alahady 25 mey, eny amin’ny circuit SRK Imerintsiatosika. Mikarakara izany ny klioba Serana Racing Kart. Anisan’ireo hiarika ity dingana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity Razafindratsimba Mbolara, mpanamorin’ny klioba FMMSAM, ao amin’ny sokajy Elite […]
“FIBA 3X3 Women’s Series”: Handray anjara i Madagasikara
Anisan’ny afaka mandray anjara amin’ilay fandaharanasan’ny Fiba, natokana ho an’ny vehivavy mpanao basikety, 3×3, eto Afrika i Madagasikara, amin’ny maha tompondakan’i Afrika 3×3 ny Ankoay. Araka izany, handray anjara amin’ny “Fiba 3X3 Women’s Series” ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Raha ny fandaharam-potoana, hizara dingana telo ity fandaharanasa ity ka ny […]
« Yas Coupe de Madagascar » : Klioba 16 hiady ny tapakilan’ny ampahefa-dalana
Hifampitaona etsy By-Pass ireo mpitia baolina kitra, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Ho fantatra amin’io fotoana io ireo ekipa valo hanao ny ampahefa-dalan’ny “Yas Coupe de Madagascar”. Hotontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar ». Anisan’ny […]




