Fantatra ny daty sy ny toerana ofisialy hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly, fanao isan-taona, eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Ny 18 hatramin’ny 30 aogositra 2024 no hanaovana izany, any Diego. Marihina fa niova io toerana io, raha toa ka any Nosy Be no nokasaina hanatontosana ity […]
Fanatajahantena
“Football For Schools” : hatao ny 15 febroary izao ny andiany faharoa
Taranja anisan’ny mahasarika ny tanora ny baolina kitra. Hisy ny fifaninanana isan-tsekoly izay hatao any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, amin’ity volana febroary ity. Hotanterahina manomboka ny 15 hatramin’ny 17 febroary ho avy izao, any Andranomanelatra Antsirabe, ny andiany faharoa amin’ilay tetikasa ho an’ny sekoly, “Football for Schools”. Amin’ ity andiany ity, […]
Tenisy – « J200 Cairo » : Laharana fahatelo i Voavy Mitia
Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana « J200 Cairo » izay natao tany le Caire Egypte. Nandrombaka ny medaly alimo i Madagasikara. Nifarana ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “J200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy “junior”, lahy sy vavy, izay natao tany le Caire Egypte, ny 5-10 febroary. Nandrombaka ny medaly […]
Lomano-« Mondial 2024 »: hiditra an-tsehatra rahampitso i Tendry
Nanomboka omaly, tao Doha Qatar, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja lomano. Araka ny efa fantatra, manana solontena amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara, ahitana an’i Tendrinavalona Idealy sy Raharvel Jonathan. Raha ny fandaharam-potoana, rahampitso talata 13 febroary no hiditra an-tsehatra i Tendry. Hanombohany izany ny sokajy 100m dos ary […]
Fiainana klioba: manana « centre sportif » sy « école de foot » ny Mama FC
Miezaka ny ho matihanina ny klioba Mama. Amin’izao fotoana izao, manana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho azy manokana izy ireo. Kianja ho an’ny baolina kitra sy tsipy kanetibe ary nanangana «Academie de foot » ho an’ny kilonga ihany koa. Anisan’ireo klioba manana ny «centre sportif » ho azy manokana ankehitriny ny Mama FC. […]