Norombahin’i Faniry sy Mahents, mpanamorin’ny klioba TMF/Asacm, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany fahenina amin’ny Rallye Motul. Fifaninanana notanterahina ny zoma ka hatramin’ny omaly alahady. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 37 mn 59.2 s ny hazakazaka, […]
Fanatajahantena
Basikety: norombahin’ny MB2All ny amboaran’ ny ligin’i Boeny, vehivavy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny amboaran’ny ligin’i Boeny, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1A. Nafana ary tena niady ny lalao, na ny sokajy lehilahy, na ny sokajy vehivavy. Teo amin’izay sokajy vehivavy izay, norombahin’ny ekipan’ny MB2All Analamanga ny amboara, rehefa nifampitana tamin’ny ekipan’ny GNBC Analamanga […]
Baolina kitra – Ampahefa-dalana PFL: resin’ny CFFA tany amin’ny minitra farany ny AS Fanalamanga
Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny dingana ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL 2025). Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Niady ary samy nampiseho ny fahaizany ny roa tonta. Fihaonana […]
Jiu-jitsu Brezilianina: manan-talenta ny Malagasy mpikatroka
Taranja zandriny kanefa miroborobo sy mivoatra hatrany ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Anisany manatanteraka fifaninanana betsaka indrindra mandritra ny taona ity taranja ity. Ary ny tena mampiavaka azy dia omena sehatra mihitsy ireo klioba eo anivon’ny federasionina hitantana ny fikarakarana ny fifaninanana tafiditra anatin’ny fandaharam-potoan’ny federasionina. Hita taratra ny fiakaran’ny talentan’ny […]
Mpilalao 24 mirahalahy hiatrika fampivondronana
Iray volana mialoha ireo lalao iraisam-pirenena, ny « Masters » sy ny « Tournois estivaux 2025 », hatao any France, namoaka ny anaran’ireo mpilalao voafantina mialoha ho anaty ekipam-pirenena ny federation sport-boules malagasy (FSBM). Masontsivana maro no nifantenana azy ireo. Ho fiatrehana ny “Masters” sy ny “Tournois estivaux 2025”, taranja tsipy kanetibe hatao any […]




