Mamaly hatrany ny hetahetan’ny tanora ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nisy, omaly, ny fihainoana ireo tanora 150, avy amin’ny fokontany 33, manerana ny boriborintany 6, eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, misehatra amin’ny lafiny fandriampahalemana. Taorian’izay, nanolotra fampitaovana mahakasika izany ho azy ireo, ny minisitera, tamin’ny alalan’ny […]
Fanatajahantena
FIBA 3×3 ; nanainga omaly ny Malagasy
Efa ao anatin’ny fanomanana ny lalao hiadiana ny tapakilan’ny lalao olympika 2024 avokoa amin’izao ny firenena afrikanina hiatrika izany, ho an’ny taranja basikety 3×3. Anisan’izany i Madagasikara izay nahazo fanasana avy amin’ ny Fiba Afrika, hiatrika fiofanana “FIBA 3X3 Africa Élite Camp”, any Monastir Tonizia. Nanainga, omaly, ny delegasiona malagasy, […]
«Can 2023»: hifandona amin’i Sénégal i Côte d’Ivoire, mpampiantrano
Nifarana ny alarobia lasa teo ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika «Can 2023», atao any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary – 11 febroary. Hotanterahina manomboka ny sabotsy ho avy izao ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can Côte d’Ivoire 2023», taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena […]
“Can 2024” : hidona i Nigeria sy i Cameroun
Notsotsofina vao tafavoaka vondrona ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny talata lasa teo, nandritra ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024). Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Ny fandreseny an’i Gambie, tamin’ny isa tery 3 no ho 2 no […]
Beach Volley : tsy lasa ny solontena malagasy
Nanomboka omaly, tany Kaomoro, ny fiadiana ny tompondakan’ny CAVB Zone 7, taranja Beach Volley-ball. Tsy lasa tamin’ny ora farany ny solontena malagasy roa lahy, i Thierry Robsel sy Rakotoarison Willot. Araka ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball, olana teo amin’ny toetr’andro no antony tsy nahalasa azy ireo. […]