Fanatajahantena

E-Sport – fifaninanam-pirenena : Nitiliana izay hiatrika ny fifaninanana afrikanina

Notontosaina teny amin’ny Stade Barea Mahamasina, ny herinandro lasa teo, ny fia­diana ny tompondakan’i Mada­gasikara, ho an’ny lalao E-sport. Mpilalao 600 mahery no nandray anjara nandritra izany. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny E-sport. Zava-dehibe izao fifaninanana izao satria dingana iray manamarika ny fankatoavana ny taranja eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohany, […]

Kids Soccer Atsimondrano : Hiaka-tsehatra ny kilonga U13 sy U15

Mitodika any amin’ny kilonga mpianatra ny fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano Action, eo amin’ny taranja baolina kitra. Hiakatra kianja manomboka ny volana jona ny sokajy U13 sy U15. Vola 5 tapitrisa Ar no hozaraina ho an’ireo mpandresy. Taorian’ny “Atsimondrano Champions League (ACL)”, taranja baolina kitra, hiitatra any amin’ny sokajy U13 sy U15 […]

INDRAY MIJERY

Miisa 19 ireo mpitarika English Club ao Fort Dauphin manaraka fiofanana iarahana amin’ny amerikanina. Miompana amin’ny teknika fanentanana sy fampandehanana fikambanana ny izany. Ampiasaina ireo fitaovam-pampianarana sy raki-pahalalana novolavolaina. Tanjona ny hananganana vondrona matanjaka, hanomezana tosika ireo mpitarika. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ity herinandro ity ny famaritana ny tahan’ny karaman’ireo […]

Taranja tolona : Lany ho sekretera jeneraly mpanampy R. Mamitiana

Notanterahina ny 28 avrily lasa teo, tany Casablanca, ny fifidianana izay ho filohan’ny taranja tolona eto Afrika, sy izay ho mpikambana vaovao anatin’ny rafitra federaly. Lany ho anisan’ireo anaty birao miasa amin’ity taranja ity, eto Afrika, ary mitazona ny andraikitrin’ny sekretera jeneraly mpanampy Raveloson Ma­mitiana Nestor, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja […]