Hotanterahina ny zoma ho avy izao, any Fianarantsoa, ny dingana famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Ho fiatrehana izany, nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana, teny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny Askam Afa Itasy sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Voahosotra ho tompondakan’ny “Coupe de la Ligue Vakinankaratra”, taranja basikety, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra sy ny COSPB Analamanga. Fifaninanana notontosaina tany Antsirabe, ny 3 sy 4 mey lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy. Laharana faharoa kosa ny Ankaratra Vakinankaratra sy ny Ascut Atsinanana. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny […]
Kick -“Fight Night”: Nahazo medaly volamena i Tojo
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany La Réunion, ny katrok’ady “Fight Night”, taranja kick-boxing. Nanana solontena telo lahy i Madagasikara, izay nalefan’ny Lion Force, nahitana an-dRandriatsiresy Tojoniaina, sokajy latsaky ny 60 kg. Izy izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny “combat ceinture” rehefa nandavo ilay teratany renioney, i Refesse Quentin. […]
Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : Lasan’i Zigle sy ny UBM ny lelavola 2 tapitrisa Ar
Lasan’ny ekipan’ny UBM Analamanga ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior”, lehilahy. Mbola noporofoin’i Zigle sy i Tianakely indray ny maha andrarezina azy ireo. Lasan-dry zalahy ny lelavola 2 tapitrisa Ar sy ny amboaran’ny klioba. Tontosa soa aman-tsara tany Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny […]
Rugby- seksionina Marovatana : Tompondaka ny polisy monisipaly
Notontosaina, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao famaranan’ny seksionina Marovatana, taranja Rugby. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny ekipan’ny polisy monisipaly, rehefa nandresy ny Fifita Anosivavaka Ambohimanarina, tamin’ny isa, 40 no ho 25. Raha hiverenana ny fifanandrinana tamin’ity, nanjakan’ny polisy tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta. Ry zareo polisy hatrany […]




