Nambaran’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball ofisialy, omaly, teny amin’ny foiben’ny KOM (Komity Olympika Malagasy) Ivandry, fa handray ny CCC-CAVB Zone (Championnat des Clubs Champions), Zone 7, andiany faha-28, i Madagasikara. Ny 23 febroary izao hatramin’ny 2 marsa no hanaovana izany eto Antananarivo. Toeram-pifaninanana 3 no efa tapaka fa handray ny […]
Fanatajahantena
Kitra – “Can 2024”: tafita amin’ny ampahavalon- dalana i Sénégal sy i Cap-Vert
Ekipa roa voalohany efa nahazo ny tapakila hiatrehina ny dingana ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024), i Sénégal sy i Cap Vert. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Samy manana isa 6 avy ireo ekipa roa ireo, taorian’ny lalao roa tontosany, izany […]
Randresiarivony Anjaratiana : efa tompondakan’i Eoropa intelo, taranja Pancrace
Tsy ny taranja Jiu-Jitsu ihany no iangalian-dRandresiarivony Anjaratiana, Malagasy mpikatroka, mila ravinahitra any Eoropa. Manan-talenta amin’ny haiady hafa ihany koa izy, toy ny Pancrace, araka ny resaka nifanaovana taminy, amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Namiratra tokoa izy satria efa intelo no nahazo ny medaly volamena tao Eoropa, tamin’ny “Open de […]
DAKA AN-JORONY: mendrika ho alain-tahaka
Sambany, hoy ireo rehetra nanatrika ny famaranana ny fiadiana ny «Grand Tournoi d’Antananarivo», taranja baolina kitra no nahitana volabe avy hatrany dia natolotra ny mpandresy. Tena mendri-piderana tokoa ny zava-bitan’ny ligin’ Analamanga, nanatanteraka izany. Tsy teo amin’ny fanatontosana ilay fifaninanana ihany fa ny herim-po nanomezana loka goavana ho an’ny mpandresy […]
Fampitana traikefa : nanangana «école de foot» i Leda, mpiandry tsatobin’ny Barea
Taorian’ny tsy niakarany kianja intsony, nanolo-tena hizara ny fahaizany sy hitaiza zandrikely, i Leda. Nanangana sekolin’ny kitra ho an’ny U13, lehilahy, ity mpiandry tsatobin’ny Barea de Madagascar ity. Ny taona 2020, rehefa tsy niakatra kianja intsony Randrianasolo Jean Dieu-Donné (Leda), mpiandry tsatobin’ny Barea de Madagascar, nanapa-kevitra fa hampita ny traikefany […]