Araka ny loharanom-baovao iray, ho avy eto an-tanindrazana, hijery ny tohin’ny fifaninanam-pirenena « World Cola PFL », ny mpanazatra ny ekipa nasionaly Barea, i Corentin Martins. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, « Playoffs » ity fifanintsanana ity. Marihina fa fotoana iray izao ahafahan’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly mandinika ny mpilalao tokony hanatevina ny Barea A. […]
Fanatajahantena
DAKA AN-JORONY: Aza manao rebik’ ondry ê!
Ny hevitra hono tera-bary ka samy mamoaka ny ao am-pony. Na izany aza, misy ireo tsy manan-kevitra fa manaraka efa fotsiny. Manao rebik’ondry ê! Tsy amin’ny fiainan’ny olona andavanandro ihany no ahitana sy handrenesana izany fa amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ihany koa. Azo antoka fa maro aminareo mpamaky no tsy […]
Taekwondo Malagasy : Lany ho filohan’ny federasionina i Lamina Boto Tsara Dia
Manana olona vaovao hitantana ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD). Kandidà tokana voafidy tamin’izany i Lamina Boto Tsara Dia. Hanomboka ny asa avy hatrany ny tenany. Notontosaina tetsy amin’ny biraon’ny Komity olympika malagasy (COM) Ivandry, ny asabotsy lasa teo, ny fifidiananana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo WT (FMTKD). […]
Haiady Karate-Do: Mila averina ny fitiavan’ny olona ny taranja
Anisan’ny taranja be mpankafy taloha ny karate-do, teto Madagasikara, indrindra ho an’ny teto an-dRenivohitra. Latsa-danja izany tato ho ato noho ny antony maro samihafa. “Firenena manana mpikatroka tena mahay isika, misy anefa ny sakana tokony hialana”, hoy ny Sensei Francis Renaud na ny Maître Balam. 75 taona amin’izao ny Sensei […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny fampivondronana fahatelo ny Malagasy atleta, mpikatroka ny taranja karate, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, hatao any Nigéria, ny 23 hatramin’ny 27 jolay izao. Ny 8 hatramin’ny 11 mey, eny amin’ny ANS Ampefiloha, no hanaovana ity fampivondronana ity. Hotanterahina any La Réunion, anio, ny fifaninanana katrokady “Fight Night”, […]




