Hotanterahina anio, any Maroc, ny ady laharana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal. Tsy tafita tany amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny Barea Ladies. Ny fiadiana ny laharana fahadimy sisa no handrandrain’izy ireo amin’ity. Araka ny fikarohana natao, i Egypte no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa nihazona ny laharana […]
Fanatajahantena
Tenisy – «Circuit U10 U12 U14 »: Hanazarana ireo ankizy amin’ny fifaninanana
Nioty vokatra ny ekipa teknika eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny tenisy, tarihin-dRazanamasy Lala, nandritra ny fikarakarana ny “circuit” ho an’ireo kilongalahy sy vavy U10 sy U12 ary U14. Niakatra ny lentan’ireo ankizy mifaninana izay mitombo isa hatrany. Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ankatso ny “circuit” taranja tenisy ho […]
Rugby – « XXL Top 12 »: Resin’ny FTM Manjakaray ny Cosfa
Mbola voatazon’ny FTM Manjakaray, ny anaram-boninahitr’i Madagasikara, tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 34 no ho 31, ny Cosfa miaramila, omaly, nandritra ny famaranan’ny XXL Top 12, taranja rugby, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Notolorana lelavola, 10 tapitrisa ariary moa ny mpilalaon’i Manjakaray. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny […]
Judo-Afrika Seniors : Tompondakana fanindroany Rasoanaivo Laura
Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, fanindroany, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura indray ny maha judokas kalaza azy eto Afrika, eo amin’ny sokajy Seniors, […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao tahaka ny fandraka
Ny vokatra tsy azo, raha tsy misy fikirizana. Na izany aza, mandeha ila tahaka ny tononkira tsy misy feony, ny asa atao raha tsy eo finiavana sy fitiavana. Tsy afa-misaraka ireo fa tsy maintsy miara-dalana hatrany. Koa aza manao tahaka ny fandraka, tsy miasa raha tsy velesina. Amin’ny fanatanjahantena, mila […]




