Mbola voatazon’ny FTM Manjakaray, ny anaram-boninahitr’i Madagasikara, tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 34 no ho 31, ny Cosfa miaramila, omaly, nandritra ny famaranan’ny XXL Top 12, taranja rugby, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Notolorana lelavola, 10 tapitrisa ariary moa ny mpilalaon’i Manjakaray. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny […]
Fanatajahantena
Judo-Afrika Seniors : Tompondakana fanindroany Rasoanaivo Laura
Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, fanindroany, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura indray ny maha judokas kalaza azy eto Afrika, eo amin’ny sokajy Seniors, […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao tahaka ny fandraka
Ny vokatra tsy azo, raha tsy misy fikirizana. Na izany aza, mandeha ila tahaka ny tononkira tsy misy feony, ny asa atao raha tsy eo finiavana sy fitiavana. Tsy afa-misaraka ireo fa tsy maintsy miara-dalana hatrany. Koa aza manao tahaka ny fandraka, tsy miasa raha tsy velesina. Amin’ny fanatanjahantena, mila […]
Jiu-jitsu- Open Africa: Nandrombaka medaly volamena 20 i Madagasikara
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny nosy Maorisy, ny fifaninanana “Open Africa”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Nandrombaka medaly volamena 20 be izao i Madagasikara. Namiratra tanteraka ny Malagasy mpikatroka, nisolo tena an’i Madagasikara, niatrika ny fifaninanana “Open Africa”, notanterahina tany Maorisy, ny faran’ny herinandro teo. Medaly volamena 20, volafotsy 6 […]
Randriamalala Jean Yves: Maniry ny ho lasa mpilalao milaravinahitra any ivelany
Nifarana tanteraka ny 13 avrily teo ny dian’ny Makis Sevens, tany Pologne, nahazo ny laharana fahadimy ny Malagasy. Anisan’ireo mpilalao mendrika nandritra iny fifanintsanana iny i Jean Yves, Malagasy mpilalao. Anisan’ireo mpilalaon’ny Makis Sevens nisongadina hatrany tamin’ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, “Challenger Series”, izay natao tany Krakow, Pologne, Randriamalala Jean […]