Fanatajahantena

Basikety – Fifanintsanana «Mondial 2027»: Laharana fahefatra ny Ankoay Madagasikara

Ratsy ny vokatra ho an’ny Ankoay Madagasikara, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovina olona dimy, sokajy lehilahy. Faharesena intelo no azon’ny ekipam-pirenena malagasy. Nifarana omaly, tao amin’ny kianja Stadium Marius Ndiaye, tao Dakar Senegal ny fifanintsanana hiadian-toerana «3ème fenêtre» ho an’ny “Mondial […]

Mondial 2026 : Efa-taona aty aoriana hiverina hidona i France sy i Maroc

Hifanandrina indray i France sy i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial”. Amin’ity, hiady ny tapakilan’ny manasa-dalana, ny roa tonta. Hanala vela ny maraokanina izay hany ekipa afrikanina, indroa tafita eo amin’ny ampahefa-dalana. Anisan’ny lalao hanamarika ity “Mondial 2026” ity ny ampahefa-dalana hikatrohan’ny Les Bleus France sy […]

Rugby « XXL Top 20 » : Hatao rahampitso ny famaranana

Hotanterahina rahampi­tso, amin’ny 12 ora atoandro, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny famerenana ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, «XXL Top 20», Federaly II. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny Rosa Club de l’Imerina Antohoma­dinika sy ny Rugby Club des Soldats Anosibe RCSA. Samy nilaza ny andaniny sy […]

Mialoha ny ampahavalon-dalana : Miisa 7 ireo mpanazatra nametra-pialana

Efa fomba mahazatra any amin’ny tany mandroso ny fametraham-pialan’ireo mpanazatra. Anton’izany ny tsy fahombiazan’ny ekipa. Hatreto, miisa 7 ireo niala amin’ny andraikitra nosahaniny ka tsy hitantana intsony ny ekipam-pirenena. Tsy miandry esorina fa aorian’ny faharesen’ny ekipa, avy hatrany dia mametraka ny taratasy fialany any amin’ny federasionina misy azy ireo ny […]

Mondial 2026 : Ekipa afrikanina 4 sisa andrandraina

Mitohy ny faharesen’ny ekipan’i Afrika, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026». Nangoron-damba avokoa ny Lions de la Teranga Senegal, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny Leopards RD Congo. Tsy misy afa-tsy ekipa efatra izany sisa antenaina. Tao anatin’ny telo andro, nisesy ny raho-mainty nitatao eo ambony lohan’ny ekipa afrikanina, […]