Tontosa teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny sabotsy sy alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja badminton. Niaka-tsehatra tamin’izany ny sokajy «junior», lahy sy vavy. Nanjakan’ny klioba SCI Itaosy ny fihaonana. Lasan’izy ireo avokoa ny anaram-boninahitra miisa 4 tamin’ireo sokajy 9 niadiana. Anisan’izany, ny teo amin’ny sokajy U9 izay samy azony avokoa. […]
Fanatajahantena
JIU-JITSU BRESILIEN: ho avy eto i Vicente Cavalcanti
Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana, amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity. Anisan’ny hisongadina sy hanombohana izany ny fahatongavan’ilay teratany Breziliana, i Vicente Cavalcanti, eto Madagasikara, ny 29 sy 30 janoary izao. Hisy ny fanazarantena homen’ity mpikatroka Breziliana manana ny maha izy azy ity ho an’ny Malagasy mpikatroka ny […]
Rugby vehivavy : hampiantrano ny Can indray i Madagasikara
Fanindroany amin’izao no handray ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja rugby vehivavy, i Madagasikara. Hotanterahina ny volana mey izany. Hotanterahina eto Madagasikara, ny 2 – 13 mey ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Can 2024”, taranja rugby à XV, sokajy vehivavy. Manamafy izany ny fambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny […]
Basikety 3×3 : nahazo mpandrindra tsirairay ny ligy 21
Ho fampiroboroboana ny taranja basikety 3×3 eto Madagasikara, nasiana mpandrindra tsirairay ny ligim-paritra manerana ny Nosy miisa 21, amin’ity taranja ity. Andraikitra maro ny miandry ireo tomponandraikitra voatendry ireto, taorian’ny fiofanana izay noratoviny. Tsiahivina fa niatrika fiofanana nampitain-davitra izy 21 mianadahy voatendry ireo, tamin’ilay tetikasa “Se la rue vers…l’or”. Mbola […]
Resampa André Haja : Voatendry fanindroany ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena
Anisan’ny minisitra mbola voatazona ao anatin’ny governemanta malagasy, ny minisitra Resampa André Haja, misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy niova fa voatendry fanindroany indray hisahana ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, araka ny fanendrena natao teny amin’ny Lapan’Iavoloha, omaly 14 janoary. Mbola nametraka fitokisana taminy ny […]