Fanatajahantena

Can 2024: voatendry hitsara lalao i Dimbiniaina

Navoakan’ny vaomieran’ny mpitsara baolina eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), omaly talata, ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena “Can 2024”. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire, manomboka ny 13 janoary ho avy izao. Anisan’ireo manana solontena amin’izany ny Malagasy na tsy mandray anjara […]

Basikety-FIBA WABC LEVEL 1: Malagasy mpanazatra roa afa-panadinana

Nanome fiofanana ho an’ny mpanazatra avy amin’ny firenena 4 (Maorisy, Seychelles, Kaomoro ary Madagasikara) ny manampahaizana avy amin’ny FIBA, Uariachi Naoufal, ny fiandohan’ity volana desambra ity. Fiofanana natao tany Maorisy, nandritra ny 7 andro. Mpiofana mpanazatra 14 mianadahy no nanaraka izany ka Malagasy ny roa amin’izy ireo. Nisy ny fanadinana […]

AJS Mada Tsiadana: miisa 70  mahery ireo ankizy nanatrika ny « get into rugby »

Notanterahina ny alahady 24 desambra lasa teo, teny amin’ny kianjan’ny Oni­versite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des jeunes sportifs (AJS) Mada Tsiadana. Miisa 70 mahery teo ireo ankizy, lahy sy vavy, tonga nanatrika ny hetsika “get into rugby”, teny an-toerana. Marihina fa avy amin’ny sekoly rugby miisa […]

Atletisma – Lalao Olympika: tsara toerana hahazo «wild card » i Sidonie

Mikatsaka mafy ny hahazo fanasana manokana «wild card», hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), any France ny federasiona malagasin’ny atletisma amin’izao fotoana izao. Manakaiky izany i Sidonie Fiadanantsoa, manana ny isa ambony indrindra. Hanamarika ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’io taona 2024 io, ny lalao Olympika (JO 2024), tanterahina any Paris France. […]

AJS Mada Tsiadana : hisy lalao fihantsiana efatra

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianjan’ny Oni­versite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des jeunes sportifs (AJS) Mada Tsiadana. Araka izany, hisy lalao fiha­tsiana efatra eny an-toerana, amin’ny taranja Rugby. Ma­rihina fa ny AJS dia sekoly ara-panatanjahantena mitaiza ny ankizy amin’ny alalan’ny Rugby. Tsara ny mampahafantatra fa hotolorana amboara […]