Fanatajahantena

Volley-CCC Zone 7 : Miankina amin’ny toetr’andro ny lalao

Araka ny fandaharam-po­toana efa fantatra, ny 1 hatramin’ny 8 marsa izao no hanatanterahina ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), taranja Volley ball, any Maorisy. Noho ny fisian’ny andro ratsy any an-toerana anefa, misy fiantraikany amin’ny sidina mihazo an’i Maorisy izany. Araka izany, raha […]

Rugby-«Challenger series»: Tsy misy Malagasy hitsara ny lalao

Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Hampiantrano izany, i Afrika Atsimo, amin’ity. Araka ny fanadihadiana natao, tsy mbola misy mpitsara ma­nana “niveau”, amin’izany eto Madagasikara. Fihaonana karakarain’ny World rugby mantsy ity fifaninanana ity ka ireo ao amin’ny “panel B” […]

Baolina kitra- « Mondial 2026 » : Hatao any Maroc ny lalaon’ny Barea

Tsy mbola mandray lalao iraisam-pirenena ny Kianja Barea Mahamasina, amin’ity volana marsa ity. Miandry ny fanambarana ofisialy avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra anefa izany. Tapitra hatreho ny tebi­teby mahakasika ny kianja Barea Mahama­sina. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra, FMF, omaly, hatao any Maroc avokoa ny lalaon’ny […]

Tenisy-U14 Afrika : Nihintsana teo amin’ny ampahavalon-dalana Ny Avo

Nitohy omaly, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy, sokajy U14, lahy sy vavy. Nifarana teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny lalan-dRazafin­dra­zaka Ny Avo, ho an’ny lalao an’olon-tokana, lehilahy. Re­sin’­ilay marao­kanina, i Youssef Hakmi, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1; 6/0), ny tovolahy. Tsy […]

SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho tompondakan’ny Tama Beach, taranja volley, andiany faha-8, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, i Juliette sy i Miangola, ho an’ny sokajy U21, vehivavy. I Brad sy i Allan kosa teo amin’ny U21, lehilahy. Ho an’ny sokajy Seniors, nahazo fandresena i Marina sy i Julienne teo amin’ny vehivavy, ary […]