Fanatajahantena

Semi-marathon : Nanamontsana zava-bita i Kiplimo

Nomontsanin’ilay teratany ogandey, i Jacob Kiplimo, ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany eo amin’ny hazakazaka semi-marathon. Nandritra ny fifaninanana natao tao Barcelone Espagne, ny alahady 16 febroary lasa teo. Tontosany tao anatin’ny 56 mn 42 s izany. Natsarain’ity atleta, 24 taona, ity 48 s ny fe-potoan’ilay etiopianina, i Yomif Kejelcha, izay […]

“XXL Smatchin by Be connect” : Nitombo ny isan’ny mpandray anjara

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao ny “XXL Smatchin by Be Connect”, andiany faha-11. Oniverite 50 hifaninana ary toerana 3 no handray izany. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-11 ity, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Oniversite 50 no hifaninana, raha toa ka 40 tamin’ny taon-dasa. Araka izany, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, tetsy Ivato, ny delegasiona malagasy, Makis Sevens, lehilahy. Hiatrika ny “Challen­ger Series 2025” izy ireo. Fifaninanana hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa ho avy izao, any Cape Town Afrika Atsimo. Tsiahivina fa maro ny fanovana natao tamin’ity ekipam-pirenena ity, anisan’izany ny tsy maha eo an’i Hery Zhino, mpilalaon’ny […]

Kung fu Wushu : Mbola nomen’ny ligy fitokisana ny Maître Gao

Nanatanteraka fifidiana­nana ny ho filohan’ny federasiona ny eo anivon’ny taranja kung fu Wushu, ny faran’ny herinandro teo, tetsy 67Ha. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaherison José na ny Maître Gao, ka nolanian’ny ligy 7 hitantana ny federasiona mandritra ny 4 taona mana­raka indray. Ligim-paritra 7 (Analamanga, Vakinanka­ratra, Itasy, Atsimo andrefana, Alaotra […]

Tenisy Afrika – U14: Eo ho eo ny vokatra ho an’ny Akomba

Tanterahina any Kenya, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy U14, lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Eo ho eo ihany ny vokatra ho an’ny mpilalaon’ny Akomba de Madagascar. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, vehivavy, resy teo […]