Nisongadina ny Malagasy mpilalao, nandritra ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket” notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra Top 5 i Mathias M’Madi sy Raharimanantoanina Sitraka. Mbola maresaka sy eny am-bavan’ny maro hatramin’izao ny nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”, ny volana aogositra izao, any Angola. Anisan’ny firenena nisongadina […]
Fanatajahantena
Rugby à VII, lehilahy : Hidona i Madagasikara sy i Hong-Kong
Hanomboka anio, atsy Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny “Challenger Series Cup 2025”, taranja rugby, lalaovina olona 7 ho an’ny sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagascar. Efa nanainga omaly ireo mpilalao 12 mirahalahy hiatrika izany fifaninanana izany. Tsiahivina, miray vondrona amin’i Canada […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Nahazo vokatra tsara nanoloana ny ekipan’ny AS Ste Anne Avenir Anosy, ny Fosa Juniors Boeny, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa, 2 no […]
Karate: Mpiofana 15 haka ny diplaoma DAF
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fiofanana ho mpampianatra, ho an’ny taranja karate. Fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 15 manerana ny Nosy no miatrika izany, haharitra herinandro. Misy ny avy any Fort Dauphin, Fianarantsoa, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary […]
Minisitra Abdulah Marson Moustapha: Nitsidika ny foiben’ny Caf any Egypte
Miezaka mitady vahaolana mahakasika ny baolina kitra eto Madagasikara ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nisy ny fifampiresahany tamin’ny sekretera jeneralin’ny Caf, any Egypta. Anisan’ireo taranja tena mahasarika ny tanora ny baolina kitra. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty pejin’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), tonga […]




