Fanatajahantena

“World Jiu-Jitsu Championship” : efa nahavita fisoratana anarana ny solontenan’ny Malagasy

Andro vitsy tsy hanombohan’ny fifaninanana “World Jiu-jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, efa nahavita fisoratana anarana avokoa ireo Malagasy mpikatroka 13 mianadahy hifaninana amin’izany. Hiditra amin’ny fanaovana ny Visa kosa izy ireo amin’ity herinandro ity. Namba­ran’ ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu anefa fa mbola sarotra ny hoenti-ma­nana amin’ity fifaninanana […]

Baolina kitra : lasa any Frantsa ny Coach Rôrô hijery mpilalao vaovao

Nanohy ny diany any Frantsa, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hitily mpilalao vaovao afaka hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany, mialoha ny hiatrehana ireo lalao fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao firahalahiana roa, notanterahina tany Maroc, nandritra ny datin’ny FIFA, fantatra, araka ny fampitam-baovao, fa tsy […]

Mondial Rugby : hiady ny amboara i Afrika Atsimo sy i Nouvelle Zélande

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany France, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsimo sy ny All Blacks, Nouvelle Zé­lan­de no hifanandrina eo amin’ny famaranana. Raha hiverenana ny manasa-dalana nataon’ireo ekipa roa ireo, ny Springboks nandresy an ‘i XV de la Rose, Angleterre, […]

Kitra – “Orange Pro League (OPL)”: hifampidinihin’ny FMF sy ny CFEM ny fihaonana

Nambaran-dRakotoari­manana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Foot-ball Elite de Madagascar (CFEM), fa mbola hifampidinihina amin’ny federasiona malagasy (FMF), ny fomba hitantanana ny fifaninanana eo amin’ny “Orange Pro League (OPL)”, ho an’ny taom-pilalaovana 2024. No­tsiahiviny fa ny federasiona no rafitra voalohany miahy sy mitantana ny fifaninanam-pirenena (OPL). “Vaovao ny filohan’ny federasiona […]