Tonga ity ny taona 2025, hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy feo mandeha mahakasika ny fandaharanasan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta. Tsiahivina, amin’ity taona ity, hisy hetsika goavana horaisin’i Madagasikara, dia ny fifaninanana eo anivon’ny ranomasimbe Indianina andiany faharoa. Marihina fa ny filohan’ny Federasiona malagasy ihany no filohan’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja bisikileta. […]
Fanatajahantena
Baolina kitra : Tsara ny vokatra azon’ny Barea U17
Nifarana ny alahady lasa teo, tany Maroc, ny lalao fitsapana sady fanazaran-tena nataon’ny Barea de Madagascar, sokajy U17. Tsara ny vokatra satria tao anatin’ireo lalao 5 nataony, nahazo fandresena 3 sy ady sahala iray ary faharesena iray ny ekipam-pirenena zandriny. Nambaran’ireo mpilalao sy mpanazatra fa nahazoana traikefa ary nahafahana nijery […]
Claudine Nomenjanahary : Nahazo medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 60 m
Lasan’ilay Malagasy, i Claudine Nomenjanahary, ny tompondakan’i Frantsa, teo amin’ny atletisma fanao anaty efitrano, tamin’ny sabotsy lasa teo. Norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 60 m. Norombahin’ny Malagasy atleta, ao amin’ny club Stade Sottevillais 76, ny medaly volamena sy ny anarana maha tompondakan’i Frantsa, eo amin’ny halavirana 60 m. Hazakazaka […]
PFL 2025: Resin’ny Inate FC Rouge ny CFFA
Nitohy ny sabotsy sy omaly, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Pureplay Football League” (PFL 2025), rehefa niato nandritra ny 2 volana. Anisan’ny lalao nandrasan’ny maro ny fihaonana teo amin’ny Inate FC Rouge sy ny CFFA Andoharanofotsy. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja […]
Lomano – Madagascar Aquatics : Feno ny fandaharam-potoana iraisam-pirenena
Toy ny federasiona rehetra, manana ny fandaharam-potoanany ihany koa ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Feno avokoa ny fandaharam-potoana, na ny iraisam-pirenena izany, na ny eto an-toerana. Ho an’ity taona 2025 ity, fifaninanana iraisam-pirenena efatra no efa fantatra fa lasan’ny FMN handraisana anjara. Voalohany amin’izany, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika […]




